20 FEBROARY 2023
ROSIA
“Tsisy na Inona na Inona Atahorako Mihitsy Rehefa Mbola Eo Akaikiko Eo i Jehovah”
Nomen’ny fitsarana any Gorno-Altayskiy, any amin’ny Repoblikan’i Altaï, sazy mihantona enin-taona sy tapany ny Rahalahy Aleksandr Kalistratov, tamin’ny 17 Febroary 2023. Tsy voatery migadra izy aloha hatreto.
Ilay voampanga
Matoky isika fa mbola hohenoin’i Jehovah foana izay mpanompony miantso vonjy aminy rehefa ao anatin’ny sarotra.—2 Samoela 22:7.
Zava-nitranga
2000
Nosamborina satria tsy nety nanao miaramila. Notanana am-ponja vonjimaika nandritra ny 21 andro. Afaka madiodio avy eo
2010
Nampangaina hoe olona mampidi-doza. Nodinihin’ny fitsarana indroa aloha ilay raharaha, dia nalefa tany amin’ny Fitsarana Tampony any amin’ny Repoblikan’i Altaï avy eo. Afaka madiodio koa i Aleksandr tamin’izay
16 Desambra 2021
Nanomboka ny famotopotorana momba azy
16 Janoary 2022
Nisava tranona Vavolombelon’i Jehovah dimy tany amin’ny Repoblikan’i Altaï ny polisy avy ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB). Niditra an-keriny tao an-tranon-dry Aleksandr ry zareo, dia nentin-dry zareo hofotopotorana izy. Nalefa nody izy ny harivan’iny fa tsy navela nanao dia lavitra
25 Aogositra 2022
Nanomboka ny fitsarana azy