Hijery ny anatiny

Ny Rahalahy Andrey Stupnikov (afovoany) miaraka amin’ny namany, taorian’ny nivoahan’ny didy hoe tsy ambenana ao an-tranony intsony izy

5 JOLAY 2019
ROSIA

Tsy Ambenana ao An-tranony Intsony ny Rahalahy Stupnikov

Tsy Ambenana ao An-tranony Intsony ny Rahalahy Stupnikov

Namoaka didy ny fitsarana ao Krasnoïarsk, any Rosia, tamin’ny 2 Jolay 2019, hoe afahana ny Rahalahy Andrey Stupnikov ka tsy ambenana ao an-tranony intsony. Na izany aza, dia mbola tsy nesorina ny fiampangana azy.

Ny Rahalahy Andrey Stupnikov

Handray fiaramanidina vao maraina ao amin’ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenen’i Krasnoïarsk ry Stupnikov mivady, tamin’ny 3 Jolay 2018. Nisy olona roa avy ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena nanatona azy mivady ary nisambotra ny Rahalahy Stupnikov. Notanana am-ponja vonjimaika nandritra ny valo volana izy, ary avy eo nambenana tao an-tranony, nanomboka tamin’ny faramparan’ny volana Febroary 2019.

Nilaza ny Rahalahy Stupnikov fa lasa nahafantatra kokoa ny tenany izy tao anatin’izay herintaona izay, ary hitany koa hoe manao ahoana ny fifandraisany amin’i Jehovah. Hoy izy: “Efa ela [izahay sy Olga] no Vavolombelon’i Jehovah, nefa mbola tsy nahatsapa ho akaiky an’i Jehovah hoatr’izao mihitsy izahay! Tsapako, tao anatin’ireny fotoana mangidy ireny, hoe teo foana ilay Raintsika nanohana anay, ary mbola tsapako hatramin’izao izany. Variana aho rehefa mieritreritra hoe tena akaiky be ahy izy sady mamaly vavaka haingana be.”

Hoy koa ny Rahalahy Stupnikov: “Resy lahatra aho hoe fantatry ny Raiko ny fihetseham-poko sady takany tsara, ary mbola tsy nahatsapa hoatr’izany mihitsy aho hatramin’izay. Nanampy ahy hitoky kokoa aminy iny zavatra niainako iny, sady nanampy ahy tsy hatahotra loatra rehefa misy fanenjehana. Raha tsy mifandray tsara amin’i Jehovah intsony aho, dia izay no tena mampahatahotra ahy. Resy lahatra aho hoe na inona na inona hiainantsika, dia ho vitantsika ny hiatrika azy raha tohanan’i Jehovah isika.”

Mihabetsaka ihany ny mpiara-manompo amintsika ampangain’ny manam-pahefana any Rosia. Tafakatra 217 izany tamin’ny 1 Jolay. Nahenan’ny manam-pahefana ny sazin’ny mpiara-manompo amintsika sasany. Tsy ny fitsaran’olombelona na ny manam-pahefana anefa no itokisantsika fa i Jehovah. Mivavaka amin’i Jehovah isika mba hatanjahiny sy harovany foana ny mpiara-manompo amintsika any Rosia.—Salamo 28:7.