Hijery ny anatiny

Ny Rahalahy Dmitriy Mikhaylov tamin’izy nadinadinina vao haingana. Nosamborin’ny manam-pahefana rosianina izy tamin’ny 29 Mey 2018, ary nogadraina nandritra ny 171 andro

18 JONA 2019
ROSIA

Tsy Ara-dalàna ny Nanagadran’i Rosia An’ny Rahalahy Mikhaylov, hoy ny Manam-pahaizana ao Amin’ny ONU

Tsy Ara-dalàna ny Nanagadran’i Rosia An’ny Rahalahy Mikhaylov, hoy ny Manam-pahaizana ao Amin’ny ONU

Nosamborin’ny manam-pahefana rosianina sy nogadrainy ny Rahalahy Dmitriy Mikhaylov. Milaza ny manam-pahaizana momba ny lalàna avy ao amin’ny Firenena Mikambana (ONU) fa tsy nanaja ny lalàna iraisam-pirenena i Rosia satria nanavakavaka an’io rahalahy io noho ny fivavahany. Ampirisihin’izy ireo mafy koa i Rosia mba tsy hiampanga ny Rahalahy Mikhaylov ho nanao heloka bevava.

Namoaka ny heviny ireo manam-pahaizana manokana ireo, izany hoe ny Fikambanana Manadihady Momba ny Fanagadrana Olona Tsy Ara-drariny (WGAD), ary misy pejy 12 ilay izy. Voalaza ao fa “nitandro fihavanana foana” ny Rahalahy Mikhaylov tamin’izay nataony. Voalaza ao koa fa “tsy misy porofo mihitsy hoe nahery setra na nampirisika ny olona hahery setra izy na ny Vavolombelon’i Jehovah hafa ao amin’ny Federasionan’i Rosia.”

Hitan’ny WGAD fa “nampiasa ny zony hanana fahalalahana ara-pivavahana fotsiny” ny Rahalahy Mikhaylov ka “tsy tokony ho nosamborina sy nogadraina.” Tokony homena vola kosa izy ho fanonerana ny vola tokony ho noraisiny tamin’izy nogadraina sy noho izy nogadraina nefa tsy meloka ho nanao heloka bevava akory.

Miaiky koa ny WGAD fa tsy ny Rahalahy Mikhaylov irery no iharan’ny tsy rariny noho ny fivavahany. “Mihabetsaka foana ny Vavolombelon’i Jehovah samborina sy gadraina ary ampangaina hoe manao heloka bevava, ao amin’ny Federasionan’i Rosia, nefa mampiasa ny zony hanana fahalalahana ara-pivavahana fotsiny izy ireo.” Arovan’ny lalàna iraisam-pirenena izany zo izany. Te hanameloka ny fanenjehana ny mpiara-manompo amintsika rehetra any Rosia ny WGAD. Nolazainy mazava tsara àry hoe rehefa namoaka ny heviny izy ireo dia tsy mihatra amin’ny Rahalahy Mikhaylov fotsiny ilay izy fa amin’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra “miaina zavatra mitovitovy amin’Atoa Mikhaylov.”

Nanomboka nianatra Baiboly ny Rahalahy Mikhaylov tamin’izy mbola tanora, ary natao batisa tamin’ny 1993, tamin’izy 16 taona. Nanambady an’i Yelena izy tamin’ny 2003 ary niara-nanompo an’i Jehovah izy roa nanomboka teo.

Lasa fantatry ry Mikhaylov mivady, tamin’ny 2018, hoe efa volana maromaro no nohenoin’ny manam-pahefana an-tsokosoko ny antso ataon’izy ireo an-telefaonina sady narahin’izy ireo maso tamin’ny kamerà izay ataon’izy mivady. Notorin’ny Komity Mpanao Famotorana An’ny Federasionan’i Rosia, any amin’ny faritr’i Ivanovo, ny Rahalahy Mikhaylov, tamin’ny 19 Aprily 2018. Nisy polisy nirongo fiadiana nanao savahao ny tranony, tamin’izay. Nosamborina sy nogadraina izy, iray volana taorian’izay, satria hoe namatsy vola ny asa “mampidi-doza.” Nafahana izy rehefa avy notanana am-ponja vonjimaika enim-bolana latsaka kely, izany hoe 171 andro. Tsy mahazo manao dia lavitra anefa izy sady mbola manara-maso ny resaka ataony ny manam-pahefana, raha mbola misokatra koa ny fanadihadiana momba azy.

Manana enim-bolana ny fitondrana rosianina hamaliana ny hevitry ny WGAD. Tokony hovalian’i Rosia hoe efa tsy miampanga sy tsy manadihady an’i Mikhaylov intsony ve izy ireo, nomena onitra ve izy, ary efa nohadihadina koa ve izay nanitsakitsaka ny zony.

Efa nanao hoatr’izany ny WGAD tamin’ny raharaha mahakasika ny Rahalahy Teymur Akhmedov, any Kazakhstan. Nosamborina izy tamin’ny 2017 ary nomelohina higadra dimy taona, tatỳ aoriana, satria hoe niresaka momba ny zavatra inoany. Tsy nahazo rariny tamin’ny fitsarana tany Kazakhstan mihitsy izy ireo ka nametraka fitarainana tany amin’ny WGAD ny mpisolovavany. Namoaka ny heviny ny WGAD tamin’ny 2 Oktobra 2017. Nomelohiny ny nataon’ny manam-pahefana tany Kazakhstan ary nasainy nafahana ny Rahalahy Akhmedov. Nilaza tamin’ny fomba ofisialy ny filoham-pirenen’i Kazakhstan, enim-bolana tatỳ aoriana, hoe tsy mpanao heloka bevava ny Rahalahy Akhmedov. Nafahana izy tamin’ny 4 Aprily 2018.

Na inona na inona havalin’i Rosia an’ny WGAD, momba ny Rahalahy Mikhaylov, dia matoky tanteraka an’ity fampanantenana ity isika: “Sambatra ny olona mialoka [amin’i Jehovah].” Mivavaka isika mba hokarakarain’i Jehovah foana ny mpiara-manompo amintsika any Rosia, izay ampangaina ho mpanao heloka bevava, ary mba ho tsapan’izy ireo foana hoe “tsy mba ho ory zava-tsoa” izay sahy mitoky aminy.—Salamo 34:8, 10.