25 FEBROARY, 2021
ROSIA
Tsy Avelan’ny Fitsarana Rosianina Hafahana Alohan’ny Fotoana ny Rahalahy Roman Gridasov
Nolavin’ny Fitsaran’i Orenburg, tamin’ny 25 Febroary 2021, ny fangatahan’ny Rahalahy Roman Gridasov hoe havoaka ny fonja alohan’ny hahataperan’ny saziny. Tsy maintsy mijanona any am-ponja àry izy mandra-panefany ny saziny, amin’ny Aogositra 2021. Efa tamin’ny Septambra 2019 izy no nigadra. Anisan’ireo rahalahy dimy novonovonoin’ny mpiambina fonja tamin’ny Febroary 2020 i Roman.