9 APRILY 2020
ROSIA
Tsy Averina any Rosia ny Rahalahy Makhalichev fa Nafahana avy ao Amin’ny Fonja any Bélarus
Nanapa-kevitra ny Tonia Mpampanoa Lalàna any Bélarus, tamin’ny 7 Aprily 2020, hoe hanafaka ny Rahalahy Nikolay Makhalichev avy ao am-ponja ary tsy handefa azy hiverina any Rosia. Faly be ny Rahalahy Makhalichev satria navoaka talohan’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy izy ka ho afaka hankalaza azy io milamina tsara miaraka amin’ny namany any Bélarus.
Tamin’ny 21 Febroary 2020 ny Rahalahy Makhalichev no nosamborina, tamin’izy handeha hitsidika ny namany any Bélarus. Nohazonin’ny polisy tany Bélarus izy satria rehefa nanamarina ny pasipaorony izy ireo dia nahita hoe anisan’ny olona karohin’ny Rosianina izy. Ampangaina ho mikarakara ny asan’ny fikambanana “mampidi-doza” mantsy izy.
Nogadraina ny Rahalahy Makhalichev, telo andro taorian’izay, mandra-pahita hoe halefa mody any Rosia ve izy mba hotsaraina, noho ilay fiampangana azy tamin’ny Janoary 2019. Izay vao nisy Vavolombelon’i Jehovah voasambotra tany an-tany hafa, noho ny fiampangana nataon’i Rosia.
Nanompo an’i Jehovah foana ny Rahalahy Makhalichev na dia tany am-ponja aza, ary izany no nanatanjaka azy. Nitarika fampianarana Baiboly efatra izy tany, ary adiny 198 ny ora laniny nitoriana sy nampianarana, tamin’ny Martsa.
Fantatsika hoe mitoky amin’i Jehovah sy mahazo ny fiarovany foana ny rahalahy sy anabavintsika rosianina, amin’izao fotoan-tsarotra izao.—Salamo 142:5.