Hijery ny anatiny

23 MEY 2019
ROSIA

Tsy Eken’ny Fitsarana Ambony ny Fangatahan’i Dennis Christensen ka Migadra Ihany Izy

Tsy Eken’ny Fitsarana Ambony ny Fangatahan’i Dennis Christensen ka Migadra Ihany Izy

Nolavin’ireo mpitsara telo ao amin’ny Fitsaram-paritr’i Oriol ny fangatahan’i Dennis Christensen, tamin’ny 23 Mey 2019, ka tsy maintsy migadra enin-taona ihany izy. Rahalahy sy anabavy 80 teo ho eo no nanatrika an’ilay fitsarana. Tonga tao koa ny manam-pahefana avy any Aostralia sy Danemark. Efa miresaka momba an’io didim-pitsarana io sahady ny vaovao iraisam-pirenena.

Tamin’ny Febroary no nivoaka ny didim-pitsarana voalohany nanamelohana ny Rahalahy Christensen higadra. Tao anatin’izay telo volana izay, dia efa nisy 115 ny bemidina natao tany an-tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Raha oharina amin’ireo telo volana talohan’ny Febroary koa dia niakatra avo telo heny ny fiampangana natao tamin’izy ireo, tato anatin’ny telo volana.

Mivavaka ho an’ny Rahalahy Christensen sy ny mpiara-manompo rehetra any Rosia isika. Matoky isika hoe “akaikin’izay rehetra miantso azy i Jehovah” ary hampiany tsy hivadika aminy ny rahalahy sy anabavintsika na misy manenjika aza.—Salamo 145:18.