Hijery ny anatiny

19 JANOARY 2021
ROSIA

Tsy Kivy ny Rahalahy Sergey Britvin sy Vadim Levchuk na dia Resy Teny Amin’ny Fitsarana Aza

Tsy Kivy ny Rahalahy Sergey Britvin sy Vadim Levchuk na dia Resy Teny Amin’ny Fitsarana Aza

Mbola nomelohin’ny fitsarana any Kemerovo ihany ny Rahalahy Sergey Britvin sy Vadim Levchuk tamin’ny 19 Janoary 2021 rehefa avy nampakatra ny raharaha tany amin’io fitsarana ambony io. Hampiharina amin’izay àry ilay didim-pitsarana teo aloha hoe migadra efa-taona izy mirahalahy. Azo lazaina hoe efa nanefa sazy telo taona mahery anefa izy ireo rehefa jerena ny fotoana nitanana azy ireo am-ponja vonjimaika sy ny fotoana niambenana azy ireo tany an-tranony. Afaka herintaona eo ho eo àry izy ireo dia tokony hivoaka ny fonja. Samy tsy kivy izy mirahalahy ary samy tapa-kevitra hoe ho faly sy hanao ny tsara foana.

Rehefa nifarana ilay fitsarana tany amin’ny ambaratonga voalohany, dia niresaka momba ny finoany an’i Jehovah izy mirahalahy sady nanazava hoe inona no soa noraisiny rehefa nanompo azy izy ireo.

Izao no nolazain’i Sergey teo anatrehan’ilay fitsarana: “Inona no tanjon’ny olona mitory ahy? Tian’izy ireo hiala amin’ny finoako ve aho? Io finoako an’i Jehovah io mihitsy no nanampy ahy ho tsara toetra kokoa sy nahatonga ahy ho olom-pirenena vanona eto Rosia. Misaotra an’Andriamanitra aho satria nampiany hanavotra ny tokantranoko sy hanatsara ny fiainako. Raha tsy teo i Jehovah dia tsy ho nisy dikany ny fiainako sady tsy ho nanantena aho hoe mbola ho tsara ny fiainana amin’ny hoavy. Ny fifandraisako amin’i Jehovah Andriamanitra no zava-tsarobidy indrindra ananako. Tsy hatakaloko na inona na inona mihitsy izany na hiezaka hiampanga ahy amin’ny zavatra isan-karazany aza izy ireo.”

Hoy i Vadim: “Tsapako, nandritra an’ity raharaha ara-pitsarana ity, hoe tena tony aho satria momba ahy i Jehovah dia izaho koa miandany aminy! Na inona na inona didim-pitsarana mivoaka eo dia ny fomba fihevitr’Andriamanitra foana no zava-dehibe amiko. Tsy mampaninona ahy na aiza na aiza aho no hampitombo ny toetra tsara mampifaly an’Andriamanitra, ohatra hoe fitiavana, fifaliana, fiadanana, hatsaram-panahy, finoana, fahalemem-panahy, ary fifehezan-tena.”