Hijery ny anatiny

Avy eo ankavia miankavanana, laharana ambony: Rahalahy Aleksey Budenchuk, Dennis Christensen, Gennadiy German, ary Roman Gridasov. Laharana ambany: Rahalahy Vadim Kutsenko, Feliks Makhammadiyev, ary Aleksey Miretskiy

6 NOVAMBRA 2020
ROSIA

Tsy Manaiky ny Fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia ny Fikambanana Iraisam-pirenena

Tsy Manaiky ny Fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia ny Fikambanana Iraisam-pirenena

“Tena tsy rariny mihitsy ny ataon’izy ireo.”​—Gayle Manchin, lehiben’ny USCIRF

Mbola manameloka ny fanenjehana atao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia foana ny manam-pahefana any Eoropa sy Etazonia.

Ny Vaomiera Amerikanina Miaro ny Fahalalahana Ara-pivavahana Maneran-tany (USCIRF)

Nilaza i Gayle Manchin, filohan’ny USCIRF, tao amin’ny fanambarana iray navoaka tamin’ny 27 Oktobra 2020 fa “malahelo ny USCIRF amin’ny tsy rariny ataon’i Rosia an’i Dennis Christensen. Hita mihitsy hoe mankahala an’io olona tsy manan-tsiny io ny fitondrana any Rosia. Nanaraka ny fivavahany fotsiny mantsy izy fa tsy nanakorontana an’iza na iza, nefa nomelohina. Tsy namindra fo taminy ny fanjakana fa ataony hoatran’ireny mpanao heloka bevava mampidi-doza ireny izy. Tena tsy rariny mihitsy ny ataon’izy ireo.”

Mampiasa an’ilay tetikasan’ny USCIRF hoe Mpivavaka Gadraina Noho ny Feon’ny Fieritreretany i Gayle Manchin mba hiadiana ho an’ny Rahalahy Christensen. Efa imbetsaka ny USCIRF no nanameloka an’ilay didy hoe voaheloka higadra enin-taona ny Rahalahy Christensen.

Nilaza koa ny USCIRF hoe manameloka an’i Rosia izy ireo satria tsy navelan’i Rosia nafahana mialoha ny Rahalahy Christensen. Nanao tatitra ny USCIRF fa “nomena fahafahana aloha kokoa” izy “tamin’ny 23 Jona [2020], nefa nisy mpampanoa lalàna iray nangataka ny hanafoana an’io didy io. Tsy nafahana indray àry i Christensen fa vao mainka nalefa tany amin’ny efitra fanasaziana mihibokiboka be, satria nolazaina fa nandika ny fitsipika tao amin’ny fonja.”

Rehefa namarana ny fanambarana nataony ny USCIRF dia niresaka hevitra tao amin’ny Tatitra Isan-taona tamin’ny 2020. Manameloka ny fitondrana any Rosia io tatitra io satria manitsakitsaka ny fahalalahana ara-pivavahana i Rosia. Manaraka lamina maty paika izy ireo rehefa manao an’izany, sady mitohy ilay izy no tsy mifaditrovana. Mampirisika ny fanjakana amerikanina koa ny USCIRF mba hanasazy an’i Rosia, izay antsoiny hoe “firenena mila dinihina manokana.”

Ny Filan-kevitra Momba ny Zon’olombelona ao Amin’ny Firenena Mikambana

Nisy manam-pahefana valo nasain’ny Filan-kevitra Momba ny Zon’olombelona ao Amin’ny Firenena Mikambana nanoratra taratasy tany amin’ny Solontena Maharitry ny Federasionan’i Rosia eo Anivon’ny Firenena Mikambana. Nohazavaina tao amin’ilay taratasy fa tsy nankasitrahan’izy ireo “ny fanenjehana tsy an-kijanona atao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny Federasionan’i Rosia, ny nanafoanana ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Saint-Pétersbourg, ary ny nandrarana ny asa ara-pivavahana ataon’ireo fikambanana 395 hafa ampiasain’izy ireo manerana an’i Rosia.” Nokianin’ireo manam-pahefana ireo koa i Rosia satria efa imbetsaka ny fikambanana maro eran-tany no niteny tamin’izy ireo mba tsy hanenjika ny Vavolombelon’i Jehovah intsony, nefa tsy noraharahiany.

Nanazava ireo manam-pahefana ireo fa tsy mazava tsara ny lalàna natao hanoherana ny fikambanana mahery fihetsika any Rosia, dia “nohararaotina mba hanakanana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, hampitahorana azy ireo, hidirana an-keriny any an-tranony sy hisavana ny entany, hisamborana sy hanaovana famotorana ny mpikambana sasany ao aminy, ary matetika hanamelohana sy hanagadrana azy ireo mihitsy aza.”

Nohamafisin’ireo manam-pahefana ireo fa “manan-jo hanaraka ny fivavahany ny Vavolombelon’i Jehovah, araka ny Andininy Faha-18 ao amin’ny ICCPR.” a Nanao antso avo tamin’ny Federasionan’i Rosia àry izy ireo hoe “tsy tokony hoentina hanitsakitsahana ny zon’ny olona voalaza ao amin’ny lalàm-panorenana, ohatra hoe ny zo haneho hevitra, hanaraka ny feon’ny fieritreretana, ary hanana fivavahana, ilay Lalàna Hiadiana Amin’ny Fikambanana Mahery Fihetsika navoaka tamin’ny 2002.”

Niresaka momba ny fampijaliana natao tamin’ny rahalahintsika koa ilay taratasy. Hazavaina ao, ohatra, hoe novonovonoina ny Vavolombelona dimy tany Saratov, tamin’ny 6 Febroary 2020. Lazaina ao amin’ilay taratasy koa fa “matetika no atao any amin’ny toerana tena ratsy be ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa migadra. Ampijalina sy ampitahorina ary vonovonoina koa ry zareo noho ny zavatra inoany.”

Mbola nanonona tranga hafa mampahatahotra koa ilay taratasy, hoe nampijalin’ny polisy any Rosia ny Rahalahy Vadim Kutsenko, tamin’ny 10 Febroary 2020. Na dia nanda aza ny manam-pahefana tany Rosia hoe tsy nampijaly ny Rahalahy Kutsenko, dia tsy nino an’izany ireo manam-pahefana valo notendren’ny Firenena Mikambana. Mbola manahy amin’ny fanenjehana ataon’ny Rosia amin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Manaraka ny fivavahany fotsiny mantsy ny Vavolombelon’i Jehovah fa tsy hoe manakorontana an’iza na iza, nefa lazain’i Rosia hoe heloka bevava izany.

Ny Komity Mpanara-maso ao Amin’ny Filan-kevitra Eoropeanina

Vao mainka nanara-maso akaiky an’i Rosia ny Komity Mpanara-maso b ao Amin’ny Filan-kevitra Eoropeanina, taorian’ilay fandrarana tamin’ny 2017 sy ny fanenjehana taorian’izay. Tian’izy ireo ho fantatra mantsy raha nampiharin’i Rosia ihany ireo didy roa navoakan’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona momba azy ireo na tsia. Voalaza tao amin’ireo didy ireo hoe meloka i Rosia satria nanitsakitsaka ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah. c Namoaka didy àry io Komity io, tamin’ny 1 Oktobra 2020, ary voalaza tao hoe “tena mampanahy mafy ilay fandrarana natao tamin’ny 2017, sy ny tatitra mahatsiravina isan-karazany voaray vokatr’ilay fandrarana. ... Hita amin’ireny tatitra ireny fa mbola samborina sy melohina ary ampidirina am-ponja foana ny Vavolombelon’i Jehovah, nefa tsy hoe manao ratsy fa manaraka ny fivavahany fotsiny.”

Mba tsy hiverenan’izany, dia nampirisika an’i Rosia ilay Komity mba hanova “an’ilay lalàna natao hiadiana amin’ny fikambanana mahery fihetsika, satria io lalàna io ihany no mahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah ho voarara sy henjehina hoatran’ny mpanao heloka bevava.” Ankoatra izay, dia tokony hofoanan’i Rosia koa ny fandrarana ny Vavolombelon’i Jehovah, ary hatsahatra tanteraka ny fanenjehana azy ireo, satria nanaraka ny fivavahany fotsiny izy ireo fa tsy hoe nanakorontana an’iza na iza. Hojeren’io Komity io amin’ny 2021, raha mba efa nanao zavatra hanatsarana an’ilay toe-javatra i Rosia na tsia.

Nanomboka tamin’ny 2017, dia rahalahy sy anabavy 400 mahery any Rosia sy Crimée no nendrikendrehina hoe mampidi-doza. Vavolombelon’i Jehovah 210 mahery, any amin’ny tanàna 70 mahery any Rosia, kosa no efa nampidirina am-ponja.

Hiantso ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika isika, amin’izay ireo rahalahy sy anabavy ireo mba hampiany hiaritra sy hanam-paharetana foana.​—Salamo 20:2, 7.