Hijery ny anatiny

4 SEPTAMBRA 2020
ROSIA

Tsy Mety Manafaka An’ny Rahalahy Christensen ny Fitsarana any Rosia fa Asainy Averina ny Fitsarana Azy

Tsy Mety Manafaka An’ny Rahalahy Christensen ny Fitsarana any Rosia fa Asainy Averina ny Fitsarana Azy

Tamin’ny 4 Septambra 2020, dia nofoanan’ny Fitsaran’i Koursk ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsaram-paritr’i Lgov tamin’ny 23 Jona hoe afaka mivoaka ny fonja aloha kokoa ny Rahalahy Dennis Christensen. Namoaka didy ny Fitsaran’i Koursk hoe averina tsarain’ny Fitsaram-paritr’i Lgov ilay raharaha fa mpitsara hafa no hitsara azy. Mbola tsy fantatra ny datin’ilay famerenam-pitsarana.