28 OKTOBRA 2020
ROSIA
Tsy Mety Manafaka ny Rahalahy Bazhenov Aloha Kokoa ny Fitsarana Rosianina
Tsy nanaiky ny Fitsaran’i Dimitrovgrad any Oulianovsk, tamin’ny 28 Oktobra 2020, hoe hafahana aloha kokoa ny Rahalahy Konstantin Bazhenov ary soloana lamandy ny ambin’ny fotoana tokony higadrany. Manana folo andro izy raha te hampakatra ny raharaha any amin’ny fitsarana ambony kokoa.
Natahotra ny Rahalahy Bazhenov tamin’izy vao notanana am-ponja vonjimaika, tamin’ny Jona 2018. Nosoratany tao amin’ny kahie iray anefa izay andinin-teny tadidiny tsianjery ary nahatratra 500 teo ho eo ny fitambarany. Nahazo Baiboly izy tatỳ aoriana, ary voavakiny tao anatin’ny efa-bolana ilay izy. Nanoratra taratasy ho an’olona izy mba hiresahana hevitra mampahery avy ao amin’ny Baiboly. Nanao hiran’ilay Fanjakana koa izy sady niangavy ny fanampian’i Jehovah foana.
Notanana am-ponja vonjimaika 340 andro mahery ny Rahalahy Bazhenov. Nomelohina higadra telo taona sy tapany izy tamin’ny Septambra 2019. Notohiziny foana anefa ny fahazarany manao zavatra ara-panahy. Afaka nankalaza ny Fahatsiarovana tany am-ponja izy noho ny fanampian’i Jehovah. Vitan’ny Rahalahy Bazhenov ny hoe miaritra fanenjehana sady faly foana satria tena akaiky an’i Jehovah izy. Enga anie isika hivavaka ho an’ny Rahalahy Bazhenov foana!