26 OKTOBRA 2020
ROSIA
Tsy Mety Manafaka ny Rahalahy Christensen Alohan’ny Fotoana ny Fitsarana Rosianina
Mbola tsy nety nanafaka ny Rahalahy Dennis Christensen alohan’ny fotoana ihany ny Fitsaram-paritr’i Lgov, tamin’ny 26 Oktobra 2020. Manana folo andro ny Rahalahy Christensen mba hangatahana famerenam-pitsarana. Efa telo taona mahery izy izao no nigadra. Nisaina ho anisan’ny saziny ny fotoana nitanana azy am-ponja vonjimaika, ka amin’ny Mey 2022 izy no tokony hafahana. Nolazain’ny tompon’andraikitry ny fonja fa “mpanakorontana” ny filaminan’ny fonja anefa izy, tamin’ny volana ambony. Mety tsy ho azo isaina ho anisan’ny saziny indray àry ilay fotoana nitanana azy am-ponja vonjimaika, ka mety mbola hijanona any am-ponja izy aorian’ny Mey 2022.
Niaritra ny mafy ny Rahalahy Christensen sy Irina vadiny, na ara-batana izany, na ara-tsaina, na ara-pihetseham-po, hatramin’ny nisamborana an’ny Rahalahy Christensen tamin’ny 25 Mey 2017. Mbola faly foana anefa izy mivady, sady tapa-kevitra ny tsy hivadika mihitsy. Anisan’ny nanampy azy ireo ny vavaka nataon’ny rahalahy sy anabavy an-tapitrisany maneran-tany.