6 DESAMBRA 2023
ROSIA
“Tsy Misy Fitsapana Mahavita Manimba ny Tena Finoana”
Tsy ho ela dia hamoaka didy momba ny raharaha mahakasika ny Rahalahy Aleksandr Tsikunov ny Fitsaram-paritr’i Kaltanskiy any amin’ny faritanin’i Kemerovo. Mbola tsy nilaza ny sazy homena azy ny mpampanoa lalàna.
Ilay voampanga
Tena faly isika manana an’ireny mpiara-manompo tsy mivadika be dia be ireny. Ohatra tsara ho antsika ry zareo sady mampahatsiahy antsika hoe tsy hisy ho diso fanantenana izay mino an’i Jehovah sy Jesosy Kristy Zanany.—Romanina 10:11.
Zava-nitranga
27 Aprily 2021
Nampangaina ho mpanao heloka bevava
2 Mey 2021
Nosavana ny tranony. Nosamborina izy avy eo dia notanana am-ponja vonjimaika
4 Mey 2021
Nafahana avy tany am-ponja ary nambenana tao an-tranony
24 Jona 2021
Tsy nambenana tao an-trano intsony saingy tsy nahazo nivoaka ny faritra nisy azy
25 Jolay 2023
Nanomboka ny fitsarana azy