Hijery ny anatiny

Avy eo ankavia miankavanana: Rahalahy Ivan Puyda ao amin’ny efitra mitokana any amin’ny tribonaly, Rahalahy Grigoriy Puyda dadany, ary Rahalahy Pyotr Partsey dadabeny

14 OKTOBRA 2020
ROSIA

Tsy Mivadika Amin’i Jehovah Hoatran’ny Dadany sy ny Dadabeny Izy na dia eo aza ny Fanenjehan’ny Fanjakana

Tsy Mivadika Amin’i Jehovah Hoatran’ny Dadany sy ny Dadabeny Izy na dia eo aza ny Fanenjehan’ny Fanjakana

Ampangaina ho mpanao heloka bevava ny Rahalahy Ivan Puyda. Be herim-po anefa izy na dia eo aza izany. Manampy azy ny modely nasehon’ny dadany sy ny dadabeny.

Tsaroan’ny Rahalahy Ivan Puyda fa namakian’ny dadany tantara avy tao amin’ilay boky hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly izy valo mianadahy, rehefa tonga tao an-trano ny dadany ny hariva. Tadidiny tsara koa hoe niara-nitory izy sy Grigoriy dadany, tany amin’ny tanànan’izy ireo tany Kvitok. Matetika izy no nitsidika ny mpiara-mianatra taminy sy ny mpampianatra azy tamin’izany. Rehefa nihalehibe ny Rahalahy Puyda, dia lasa nitory tany amin’ny toerana mbola tsy nitoriany mihitsy, niaraka tamin’ny Rahalahy Pyotr Partsey, dadabeny avy amin’ny mamany. Tamin’izany no nahitany hoe tena be zotom-po tamin’ny fanompoana ny dadabeny sady nahafoy tena.

Matetika koa ny Rahalahy Puyda no nahita ny dadany sy ny dadabeny namaky Baiboly na namaky boky sy gazety ara-baiboly. Niezaka foana izy mba ho lasa hoatran-dry zareo.

Lasa hoatran’izy ireo tokoa izy, amin’izao izy 41 taona izao, nefa tsy araka ny nieritreretany azy. Nosamborina sy nogadraina mantsy izy satria manompo an’i Jehovah. Nosamborin’ny polisy avy amin’ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB) izy, tamin’ny 30 Mey 2018. Nigadra efa-bolana izy, ary avy eo indray nambenana tao an-tranony nandritra ny enim-bolana. Nosamborina sy nogadraina koa ny Rahalahy Partsey, dadabeny, nandritra ny fitondrana nazia sy sovietika. Nogadraina koa ny Rahalahy Grigoriy Puyda, dadany, nandritra ny fitondrana sovietika.

Izao no nolazain’ny Rahalahy Ivan Puyda: “Nanoratra ny apostoly Paoly ao amin’ny 2 Timoty 3:14 hoe: ‘Mahareta amin’ny zavatra nianaranao sy nandresen-dahatra anao ka inoanao. Fantatrao mantsy hoe iza avy no nampianatra anao an’ireny.’ Tena nanampy ahy ny nahafantatra tsara an’ireo nampianatra ahy ny fahamarinana. Tsy nivadika mihitsy izy ireo na nenjehin’ny mpitondra sy nogadraina aza. Tsy ho eo foana koa ny fanenjehana. Mampihatra ny zavatra nampianarin’izy ireo aho izao, dia miezaka manahaka ny modely navelany. Fantatro hoe hamaly soa ahy i Jehovah, raha tsy mivadika mihitsy aho.” Miandry ny didy havoakan’ny Fitsarana izao ny Rahalahy Puyda.

Nilaza izy hoe rehefa nitantara momba ny tany am-ponja ny dadany sy ny dadabeny, dia tsy mba nitaraina hoe sarotra ny fiainana tany. Ilay ry zareo nitory ny vaovao tsara tany am-ponja kosa no noresahiny.

Efa 64 taona izao i Grigoriy. Tamin’ny 1975 izy no natao batisa, rehefa avy namita herintaona tany am-ponja satria tsy nety nanao miaramila. Tamin’ny 1977 izy no nafahana. Nigadra nandritra ny herintaona indray izy tamin’ny 1986, satria nanana boky sy gazety ara-baiboly voararan’ny fanjakana. Nigadra tany amin’ny toby fitanana koa ny dadan’ny Rahalahy Grigoriy, izay antsoina koa hoe Ivan, tamin’ny 1944 hatramin’ny 1950, satria tsy nomba ny atsy na ny aroa.

Hoy Grigoriy: “Nanampy ahy hiaritra ny fanenjehana nahazo ahy ny finoana matanjaka nananako. Tsy nisalasala mihitsy aho hoe tena ny fahamarinana ve no narahiko, ary hoe i Jehovah ve no tena Andriamanitra.”

Mitovy amin’ny zavatra niainany koa izao ny mahazo an’i Ivan zanany. Nilaza i Grigoriy hoe: “Tadidiko ny zavatra nitranga nandritra ny fitondrana sovietika, dia hoatr’izany ihany no miverina amin’izao. Mivavaka àry aho mba tsy hivadika mihitsy i Ivan amin’izao fitsapana mahazo azy izao, sady hahavita hiaritra ka hanamasina ny anaran’i Jehovah.”

Tsy nanaiky ny Rahalahy Partsey, dadaben’i Ivan (efa maty), rehefa nasain’ny Nazia nanao sonia taratasy hoe hiala tsy ho Vavolombelon’i Jehovah. Nalefan’ny Nazia tany amin’ny toby fitanana tany Majdanek àry izy tamin’ny 1943, ary avy eo tany Ravensbrück. Nafahana izy tamin’ny 1945, rehefa resy ny Nazia. Nosamborina indray izy tamin’ny 1952, ary nomelohina ho faty. Niova anefa ny saziny, ka nafahana izy tamin’ny 1956. Nogadraina noho ny finoany indray ny Rahalahy Partsey tamin’ny 1958, ary nafahana tamin’ny 1964.

Nilaza Ivan hoe: “Tena nanampy ahy ny ohatr’i Dadabe, satria tsy nivadika mihitsy izy.” Hoy koa izy: “Rehefa hatsangana izy, dia hoteneniko hoe niatrika fitsapana hoatr’azy koa aho, dia ny ohatra nomeny no nanampy ahy tsy hivadika sy ho be herim-po.”

Hoy i Ivan: “Tsy misy afaka manakana ahy tsy hampiseho ny finoako sy ho tia an’i Jehovah Andriamanitro mihitsy.” Hoy koa izy: “Izao no naverimberiko tamin’ireo olona nanadihady ahy: ‘Ny misambotra sy managadra ahy ihany no azonareo atao, fa raha ny any am-poko sy ny any an-tsaiko, dia tsy misy azonareo atao.’”

Inona no nanampy an’ireo rahalahintsika ireo hiatrika ny fitsapana nahazo azy?

Hoy i Ivan: “Milaza ny Asan’ny Apostoly 14:22 hoe: ‘Tsy maintsy mandia fahoriana maro isika mba hidirantsika ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.’ Tsy maintsy miatrika fitsapana daholo ny Kristianina tsirairay. Tsy voatery hoe figadrana any am-ponja akory izany, fa mety hoe aretina na fahafatesan’ny olona akaiky antsika. Hahavita hiaritra isika raha manana toe-tsaina tsara sy mifandray tsara amin’i Jehovah. Vonona hanampy ny vahoakany foana i Jehovah.”

Hoy i Grigoriy, dadany: “Miezaha hifandray kokoa amin’i Jehovah. Miezaha mba ho tena namany. Mila mitady porofo ianao hoe tena ny fahamarinana no arahinao. Ho vonona hanao izay rehetra tokony hatao ianao amin’izay, mba hanompoana an’i Jehovah foana. Hamaly soa ny ezaka ataonao izy.”

Mampahery antsika ny mahalala ny fomba anampian’i Jehovah ny rahalahy sy anabavintsika enjehina noho ny finoany. Mivavaka isika mba ho be herim-po foana ny mpiara-manompo amintsika any Rosia. Mivavaka koa isika mba hampahery azy ireo ity fampanantenan’i Jehovah ity: “Aza matahotra ... Ho lehibe tokoa ny valisoanao.”—Genesisy 15:1.