Hijery ny anatiny

Avy eo ankavia miankavanana: Rahalahy Vladimir Deshko, Yuriy Loginskiy, Yuriy Moskalev, ary Ranabavy Tatyana Velizhanina

24 MEY 2022
ROSIA

Tsy Mivadika Ireo Mpiara-manompo any Sochi na dia Voaheloka Aza

Tsy Mivadika Ireo Mpiara-manompo any Sochi na dia Voaheloka Aza

Namoaka didy momba ny Rahalahy Vladimir Deshko, Yuriy Loginskiy, Yuriy Moskalev, ary Ranabavy Tatyana Velizhanina ny Fitsaram-paritr’i Khostinskiy any Sochi, tamin’ny 28 Martsa 2022. Voaheloka higadra herintaona sy efa-bolana ny Rahalahy Deshko, ary voaheloka higadra herintaona sy dimy volana ny Ranabavy Velizhanina. Efa samy notanana am-ponja vonjimaika anefa izy ireo, ka efa voaefany tao anatin’izay fotoana izay ny saziny. Tsy nampidirina am-ponja àry aloha izy ireo izao. Sazy mihantona roa taona avy kosa no azon’ny Rahalahy Loginskiy sy Moskalev. Mbola tsy nampidirina am-ponja koa aloha izy ireo izao.

Zava-nitranga

  1. 24 Martsa 2021

    Samy voasambotra izy efatra ary notazonina vonjimaika tany amin’ny toerana iray. Nampangaina hoe nandray anjara tamin’ny zavatra nataon’ny fikambanana iray mampidi-doza izy ireo

  2. 26 Martsa 2021

    Nalefa tany amin’ny fonja iray tany amin’ny 400 kilaometatra niala teo ny Rahalahy Deshko sy ny Ranabavy Velizhanina. Nambenana tao an-tranony kosa ny Rahalahy Loginskiy sy Moskalev

  3. 3 Febroary 2022

    Nafahana ny Rahalahy Deshko ary ambenana ao an-tranony

  4. 3 Martsa 2022

    Nanomboka ny fitsarana azy ireo

  5. 4 Martsa 2022

    Nafahana ny Ranabavy Velizhanina ary ambenana ao an-tranony

Ireo voampanga

Matoky isika fa hanohana sy hanatanjaka an’ireo mpanompony tsy mivadika ireo foana i Jehovah, ka hanome an’izay ilain’izy ireo mba hahavitany miaritra an’izao fotoan-tsarotra amin’ny andro farany izao.​—Salamo 89:21.

a b Tsy nisy fahafahana hiresaka taminy.