Hijery ny anatiny

Rahalahy Anatoliy Vilitkevich sy Alyona, vadiny

7 APRILY 2021
ROSIA

Tsy Mivadika Mihitsy ny Rahalahy Anatoliy Vilitkevich eo Am-piandrasana Didim-pitsarana

Tsy Mivadika Mihitsy ny Rahalahy Anatoliy Vilitkevich eo Am-piandrasana Didim-pitsarana

VAOVAO FARANY | Nolavin’ny Fitsarana Rosianina ny Fampakarana Fitsarana

Nolavin’ny Fitsarana Tampony any amin’ny Repoblikan’i Bachkirie ny fampakarana fitsarana nataon’ny Rahalahy Anatoliy Vilitkevich, tamin’ny 16 Desambra 2021. Tsy miova àry ny saziny. Mbola tsy migadra aloha izy izao.

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Leninski any Oufa i Anatoliy, tamin’ny 27 Septambra 2021, ary nahazo sazy mihantona roa taona.

Ilay voampanga

Anatoliy Vilitkevich

  • Teraka: 1986 (Faritanin’i Khabarovsk)

  • Mombamomba azy: Mpandrafitra no asany. Nanambady an’i Alyona tamin’ny 2008. Tia milasy sy mandehandeha ry zareo

    Mbola kely dia efa nampianarin’ny ray aman-dreniny ho tia ny Mpamorona. Tena tiany ilay fampanantenana hoe hihavana indray ny olona sy ny biby, indray andro any. Natao batisa tamin’ny 1997, tamin’izy 11 taona

Mombamomba an’ilay raharaha

Nampidirina tao anatin’ilay lisitry ny olona ahiahina ho mpampihorohoro any Rosia ny Rahalahy Anatoliy Vilitkevich, tamin’ny 8 Aogositra 2018. Anisan’ireo Vavolombelona voalohany notanana am-ponja vonjimaika i Anatoliy sy ny Rahalahy Dennis Christensen, taorian’ny nandraran’ny Fitsarana Tampon’ny Federasionan’i Rosia ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny Aprily 2017.

Nametrahan’ny mpanao famotorana kamerà miafina tao an-tranon’i Anatoliy sy Alyona. Nolazain-dry zareo hoe tratra nanao “heloka bevava” i Anatoliy satria fotsiny hoe niresadresaka momba ny Baiboly niaraka tamin’ny namany tao an-tranony. Ampangaina ho nandamina asa ataon’ny fikambanana lazaina fa mampidi-doza izy amin’izao.

Rehefa nosamborin’ny polisy i Anatoliy, dia nisy polisy iray ratsy fanahy be niteny tamin’i Alyona hoe “mitadiava vady vaovao.” Nilaza i Anatoliy hoe niady saina be izy nandritra ny famotorana azy. Hoy koa izy: “Niteny tamiko ry zareo hoe raha tsy manaiky an’ilay fiampangana aho, dia vao mainka hitondra faisana ny vadiko sy ireo olona tonga nivory tao an-tranonay. Imbetsaka aho no nilazana hoe hogadraina koa ny vadiko. Nivavaka tamin’i Jehovah aho tamin’ireny fotoana ireny, dia nangataka taminy mba hampiany hilamin-tsaina.”

Notanana am-ponja vonjimaika roa volana mahery i Anatoliy, nambenana tao an-trano efa ho sivy volana, ary tsy navela hivoaka ny faritra misy azy nandritra ny herintaona sy tapany mahery. Tamin’izy tao am-ponja, dia nosoratany tao anaty kahie ny tantaran’olona tao amin’ny Baiboly izay niaritra fanenjehana hoatr’azy. Hoy izy: “Tadidiko hoe tsy nisakana an-dry zareo tsy ho azon’ny zava-tsarotra i Jehovah, nefa koa tsy nanary an-dry zareo. Tena nampahery ahy izany sady nanome toky ahy hoe izany koa no hataon’i Jehovah amiko. Ny zava-dehibe dia hoe tsy mivadika mihitsy.” Nampahery azy koa ny taratasy nalefan’ny vadiny. Hoy i Anatoliy: “Nandefa sarinay vitsivitsy miaraka amin’ny namanay sy ny olona akaiky anay i Alyona, tao amin’ny iray tamin’ny taratasiny voalohandohany. Nijery an’ireny sary ireny aho isak’alina, dia niezaka nitadidy ny zavatra efa nitranga teo aminay sy ilay olona. Izany no nanampy ahy hahatsapa hoe eo akaikiko eo foana ry zareo.”

Mampahery antsika rehetra ny tsy fivadihan’i Anatoliy sy Alyona. Faly isika hoe vao mainka minamana bebe kokoa amin’i Jehovah ireo rahalahy sy anabavintsika any Rosia, na dia iharan’ny fanenjehana mafy aza. Misaotra an’i Jehovah koa isika satria mihaino ny vavaka ataontsika ho an-dry zareo izy.​—2 Korintianina 1:11.