Hijery ny anatiny

Ranabavy Irina Lokhvitskaya

29 MARTSA 2021
ROSIA

Tsy Mivadika ny Ranabavy Irina Lokhvitskaya na dia Ampangaina ho Mpanao Heloka Bevava Aza

Tsy Mivadika ny Ranabavy Irina Lokhvitskaya na dia Ampangaina ho Mpanao Heloka Bevava Aza

VAOVAO FARANY | Nolavin’ny Fitsarana Rosianina ny Fampakarana Fitsarana

Nolavin’ny Fitsarana any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy ny fampakarana fitsarana nataon’ny Ranabavy Irina Lokhvitskaya, tamin’ny 16 Novambra 2021. Mbola manan-kery àry ny sazy azony teo aloha. Mbola tsy migadra aloha izy izao.

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Birobidzhan any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy ny Ranabavy Lokhvitskaya, tamin’ny 19 Jolay 2021. Sazy mihantona roa taona sy tapany no azony.

Ilay voampanga

Irina Lokhvitskaya

  • Teraka: 1962 (Izvestkovyi, Faritra Mahaleo Tena Jiosy)

  • Mombamomba azy: Enin-taona izy tamin’ny dadany maty. Tia mandihy, milalao teatra, manao krôse, ary manao baskety sy voley tamin’izy mbola kely

    Nanohina ny fony ilay fanantenana ao amin’ny Baiboly hoe mbola hatsangana ny maty. Natao batisa tamin’ny 1993 ary lasa Vavolombelon’i Jehovah. Maty ny vadiny fito volana taorian’ny batisany, dia izy irery no lasa nitaiza an’i Artur, zanany lahy fito taona

Mombamomba an’ilay raharaha

Anisan’ireo anabavy enina nampangain’ny manam-pahefana rosianina any Birobidzhan hoe manao zavatra “mampidi-doza” ny Ranabavy Irina Lokhvitskaya, tamin’ny 6 Febroary 2020. Misy 19 izao ny raharaha iampangana Vavolombelona 22 ao amin’io faritra io, anisan’izany i Artur zanak’i Irina, sy Anna vinantovaviny.

Tsy azon’ny besinimaro natrehina ny fitsarana an’i Irina, ka tsy afaka nanatrika an’ilay izy na ny fianakaviany na ny mpanao gazety. Nolavina ny fangatahany hoe mba ho azon’ny besinimaro atrehina ilay fitsarana sy ilay hoe haverina any amin’ny mpampanoa lalàna ilay raharaha.

Lasa nisy vokany teo amin’ny fahasalaman’i Irina sy ny fihetseham-pony ny zava-tsarotra nahazo azy. Nanampy azy hiaritra anefa ny fahazarany nanao zavatra ara-panahy. Hoy izy: “Nanampy ahy mba hanana fahazarana tsara i Jehovah. Tsy hoe mamaky Baiboly fotsiny aho, fa mandalina an’ilay izy mihitsy.” Rehefa nitebiteby be i Irina ka lasa tsy te hamaky Baiboly, dia nangataka fanampiana tamin’i Jehovah izy. Izao no nolazainy: “Nanomboka nivavaka mafy aho, dia nataoko tanjona ny hoe hiverina amin’ny fahazarako teo aloha. Nampianarin’i Jehovah aho mba tsy hieritreritra ny tenako fotsiny fa mba hieritreritra ny hafa koa.”

Mifantoka amin’izay olona mila fanampiana sy fampaherezana bebe kokoa noho izy i Irina. Anisan’izany ireo olona liana sy ireo rahalahy sy anabavy. Niteny izy hoe: “Rehefa mieritreritra momba ny hafa ianao, dia tsy manana fotoana hitserana ny tenanao sy hanahiana be loatra.”

Nampahery an’i Irina koa ny fiangonana, anisan’izany ny anti-panahy. Hoy izy: “Mbola mampionona sy mahita teny ampaherezana ahy foana ry zareo, na dia iharan’ny fanenjehana koa aza. Tena mankasitraka an-dry zareo koa aho satria eo foana ry zareo rehefa ilaiko.”

Mbola mitohy ny fitsapana atrehin’i Irina hatramin’izao. Matoky hoatr’azy anefa isika hoe hanome izay ilainy foana i Jehovah. Hoy izy: “Rehefa namaky lahatsoratra momba ny fanenjehana aho taloha, dia nieritreritra foana hoe inona re no hataoko raha izaho no tratran’izany e. Hatoky an’i Jehovah ve aho? Fantatro amin’izay ny valiny izao. Tena hatoky azy aho noho izy manampy ahy. Tsy hivadika mihitsy aho, hoatran’ireo mpanompony rehetra tsy nivadika hatramin’izay, ary hitazona ahy mafy amin’ny tanany ankavanana i Jehovah.”​—Isaia 41:10.