Hijery ny anatiny

Ny Rahalahy Vladimir Alushkin sy Tatyana vadiny

16 SEPTAMBRA 2020
ROSIA

Tsy Miverina any Am-ponja ny Rahalahy Vladimir Alushkin

Tsy Miverina any Am-ponja ny Rahalahy Vladimir Alushkin

Tamin’ny 16 Septambra 2020 no navoaka ny didy momba ny Rahalahy Vladimir Alushkin, Vladimir Kulyasov, Andrey Magliv, Denis Timoshin, ary ny Ranabavy Tatyana Alushkina sy Galiya Olkhova, rehefa avy nampakatra ny raharaha tany amin’ny fitsarana ambony kokoa izy ireo. Novan’ny Fitsaram-paritr’i Penza ho sazy mihantona efa-taona ilay sazin’ny Rahalahy Alushkin higadra enin-taona. Faly isika satria tsy mila miverina any am-ponja izy. Tsy miova kosa ny sazy mihantona ho an’ireo rahalahy sy anabavy hafa.