Hijery ny anatiny

Rahalahy Anatoliy Isakov sy Tatyana vadiny

1 JANOARY 2024
ROSIA

‘Tsy Nanary Ahy Mihitsy i Jehovah’

‘Tsy Nanary Ahy Mihitsy i Jehovah’

Tsy hoe ela ny Fitsaran’i Kourgan any amin’ny Faritr’i Kourgan dia hamoaka didim-pitsarana momba ny raharaha mahakasika ny Rahalahy Anatoliy Isakov. Tsy mbola nilaza ny sazy tokony homena azy ny mpampanoa lalàna.

Ilay voampanga

Faly isika satria tena manam-pinoana i Anatoliy sady tsy mivadika mihitsy na dia be dia be aza ny olana mahazo azy. Faly koa isika mahafantatra hoe na inona na inona toe-javatra iainantsika, dia ho ‘vatolampin’ny fontsika’ foana i Jehovah.​—Salamo 73:26.

Zava-nitranga

  1. 13 Jolay 2021

    Nampangaina hoe nanao heloka bevava

  2. 14 Jolay 2021

    Nosavana ny tranony. Notanana am-ponja vonjimaika

  3. 15 Jolay 2021

    Nafindra tany amin’ny fonja hafa, dia any no miandry ny fitsarana azy

  4. 21 Jolay 2021

    Nangataka tany amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamana any amin’ny Faritr’i Kourgan hoe mba hafahana avy any am-ponja i Anatoliy dia havela hanohy ny fitsaboana simika efa nataony

  5. 28 Aogositra 2021

    Nafahana rehefa avy nanao fangatahana tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona. Noferana ny toerana azony naleha

  6. 6 Jolay 2023

    Nanomboka ny fitsarana