Hijery ny anatiny

19 JANOARY 2021
ROSIA

Tsy Nekena ny Fampakarana Fitsarana Ambony Nataon’ny Rahalahy Sergey Ledenyov, any Rosia

Tsy Nekena ny Fampakarana Fitsarana Ambony Nataon’ny Rahalahy Sergey Ledenyov, any Rosia

Nohamafisin’ny fitsarana any Kamtchatka, tamin’ny 19 Janoary 2021, hoe meloka ny Rahalahy Sergey Ledenyov rehefa nampakatra ny raharaha tany amin’io fitsarana ambony io. Hampiharina amin’izay àry ilay didim-pitsarana voalohany hoe homena sazy mihantona roa taona izy. Tsy mila mankany am-ponja aloha izy amin’izao.

Navela hiteny teo anatrehan’ny fitsarana i Sergey talohan’ny nivoahan’ny didim-pitsarana tao amin’ilay fitsarana ambony. Be herim-po izy rehefa niaro ny finoany sy nilaza hoe tapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah foana. Hoy izy: “Miorina amin’ny Baiboly ny zavatra inoako fa tsy amin’ny lalàna apetraky ny fikambanana iray. Milaza, ohatra, ny Baiboly hoe ‘nisy nanao ny trano rehetra, fa ilay nanao ny zava-drehetra kosa dia Andriamanitra’ ary ‘Jehovah no anarany.’ (Hebreo 3:4; Eksodosy 15:3) Na homelohina [ho mpanao heloka bevava] aza aho dia tsy ho voafafa ao amin’ny Baiboly mihitsy izany sady tsy ho voafafa ato am-poko koa.”