Hijery ny anatiny

Rahalahy Albert Batchaev

24 MEY 2021
ROSIA

Tsy Nivadika Mihitsy ny Rahalahy Albert Batchaev na dia Notanana Am-ponja Vonjimaika sy Nambenana tao An-trano Aza

Tsy Nivadika Mihitsy ny Rahalahy Albert Batchaev na dia Notanana Am-ponja Vonjimaika sy Nambenana tao An-trano Aza

VAOVAO FARANY | Nomelohin’ny Fitsarana Rosianina ny Rahalahy Albert Batchaev

Nomelohin’ny Fitsarana any Cherkessk, any amin’ny Repobikan’i Karachaevo-Cherkessk, ny Rahalahy Albert Batchaev, tamin’ny 6 Desambra 2021, ary nomeny sazy mihantona enin-taona. Tsy voatery migadra izy amin’izao.

Ilay voampanga

Albert Batchaev

  • Teraka: 1976 (tany Karachayevsk)

  • Mombamomba azy: Manana anabavy telo sy rahalahy iray. Efa maty ny mamany, dia mikarakara ny dadany efa be taona izy izao. Nianatra lalàna tany amin’ny sekoly miaramila, dia lasa miaramila manamboninahitra mpanara-maso an’izay mpanao heloka bevava

    Nianatra Baiboly izy dia lasa resy lahatra hoe marina ny voalaza ao. Natao batisa izy dia lasa Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 2004. Nanambady an’i Zhanna tamin’ny 2007. Mpametaka varavarana izao no asany. Tsy salama izy dia lasa tsy dia afaka manao zavatra be intsony. Tia miara-mandehandeha amin’ny aotomobilina izy sy Zhanna, dia indraindray mandehandeha an-tongotra mankeny amin’ny tendrombohitra eny akaikiny eny na eny ivelan’ny tranony

Mombamomba an’ilay raharaha

Nanao bemidina tany amin’ny trano maromaro tany Cherkessk ny polisy tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB), tamin’ny 16 Desambra 2019. Be dia be àry ny rahalahintsika notazonin’ny polisy tany.

Nafahana daholo ry zareo ny ampitson’ilay bemidina, afa-tsy ny Rahalahy Albert Batchaev ihany. Notazonin’ny polisy tany 72 ora izy fara fahakeliny, satria meloka hoe nitarika ny olona hihira sy hivavaka tamin’i Jehovah. Narahin’ny manam-pahefana koa ny namany sy ny olom-patany, rehefa voaheloka i Albert.

Hoy i Albert: “Nampidirin-dry zareo tao amin’ny efitra figadrana vonjimaika. Nangovitra be aho rehefa nakaton-dry zareo iny ilay varavarana vy mavesatra be, dia nikarantsana nankarenin-tsofina ny feon’ilay rojo vy.” Hoy koa izy: “Noheveriko fa tsy ho tafavoaka tao intsony aho, dia ho faty ao. Nitebiteby be koa aho hoe manao ahoana izay ny vadiko sy ny mpiara-manompo.”

Notanana am-ponja vonjimaika efa ho roa volana i Albert, dia avy eo nambenana tany an-trano. Nalefa tany am-ponja vonjimaika indray izy herinandro taorianan’io saingy fito herinandro indray ny tamin’ity. Hoy i Albert: “Vao mainka tsapako tamin’ilay izaho tany am-ponja tamin’ilay manirery be iny hoe tena zava-dehibe ny zatra manao zavatra ara-panahy, sy be atao amin’ny asan’ilay Fanjakana. Nanome hery ahy izany mba tsy hahatonga an’ahy halemy sy tsy hanam-pinoana intsony, fa mba hiaritra sy hanana fanantenana ary ho tia be an’i Jehovah sy ny olona foana.”

Nahazo Baiboly izy tamin’izy tany am-ponja nefa tsy misy an’izany any matetika. Hoy i Albert: “Ny Baiboly no tena nanampy an’ahy. Io no nahatonga an’ahy tsy ho kivy be sy tsy halahelo loatra ny olona tiako.” Vao mainka tsapako ny zavatra tsapan’ireo olona tsy nivadika be dia be tantaraina ao amin’ny Baiboly, izay niaritra zavatra mafy be sy nogadraina. Hoy izy: “Tamin’izaho tany am-ponja no tena nahatsapa hoe tena nisy ry zareo, sady hoatran’ny hoe velona sy teo akaikiko mihitsy. Hoatran’ny hoe manana namana be dia be taloha sy amin’izao aho izao.”

Taorian’izay dia nasain’ny fitsarana nambenana tao an-trano roa volana aloha i Albert tamin’ny Aprily 2020. Nohalavaina efa in’efatra izany tatỳ aoriana. Tamin’ny faran’ny volana Martsa no nanalavana an’ilay izy farany, dia tokony ho tapitra amin’ny faran’ny volana Jona 2021.

Fantatsika fa mbola hanome hery sy hikarakara ny Rahalahy Batchaev sy ny mpanompony tsy mivadika rehetra any i Jehovah.​—1 Tantara 29:12.