Hijery ny anatiny

Ny Rahalahy Moskalenko, eo ivelan’ny fitsarana ary efa tsy migadra intsony

4 SEPTAMBRA 2019
ROSIA

Tsy any Am-ponja Intsony ny Rahalahy Valeriy Moskalenko

Tsy any Am-ponja Intsony ny Rahalahy Valeriy Moskalenko

Namoaka didy ny Fitsaram-paritr’i Zheleznodorozhniy any Khabarovsk, any Rosia, tamin’ny 2 Septambra 2019, hoe voaheloka hanao asam-pokonolona mandritra ny roa taona sy roa volana ny Rahalahy Valeriy Moskalenko, ary harahi-maso akaiky mandritra ny enim-bolana aorian’izay. Tsy nila nijanona tany am-ponja intsony àry izy.

Nafahana avy tao am-ponja ny Rahalahy Moskalenko, taorian’ilay didim-pitsarana, ka faly be ny havany sy ny namany. Efa hatramin’ny 2 Aogositra 2018 izy no nigadra. Mpanampy ny mpitondra lamasinina izy sady nikarakara ny reniny tsy salama, talohan’ny nisamborana azy. Tsy mahazo miala ao Khabarovsk izy sady tsy maintsy mandalo any amin’ny polisy isam-bolana, mandritra an’ilay fotoana hanaraha-maso azy, mba ho azo antoka hoe tsy manao heloka bevava izy.

Izao no ampahan’ny teny famaranana nataon’ny Rahalahy Moskalenko teo anatrehan’ny fitsarana, tamin’ny 30 Aogositra: “Efa voalaza mazava ao amin’ny Baiboly ny sitrapon’Andriamanitra, dia tsy hanao zavatra mifanohitra amin’izany mihitsy aho. Na inona na inona sazy homen’ny fitsarana ahy, na dia homelohina ho faty aza aho, dia tsy hivadika amin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona an’izao rehetra izao, mihitsy.”

Hoy i Yaroslav Sivulskiy, solontenan’ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Eoropa: “Faly izahay hoe afaka mody any an-tranony i Valeriy, na dia tsy ekenay aza ilay didim-pitsarana manameloka azy.”

Ankoatra ny Rahalahy Moskalenko, dia rahalahy fito ao amin’ny faritr’i Khabarovsk no mbola miandry didim-pitsarana.

Misaotra an’i Jehovah isika satria nanana finoana matanjaka foana ny Rahalahy Moskalenko na dia tamin’izy tany am-ponja aza. Mbola betsaka ny rahalahy sy anabavy enjehina satria tena mino izay lazain’ny Baiboly. Mivavaka isika mba hanome hery azy ireo foana i Jehovah.—Isaia 40:31.