Hijery ny anatiny

Ankavia: Ranabavy Tatyana Galkevich; Ankavanana: Ranabavy Valentina Vladimirova

24 JANOARY 2022 | VAOVAO FARANY: 16 FEBROARY 2024
ROSIA

VAOVAO FARANY​—ANABAVY VOAHELOKA | Anabavy Roa Marary Nefa Nahavita Niaritra Nigadra Enim-bolana Satria Nampian’i Jehovah

VAOVAO FARANY​—ANABAVY VOAHELOKA | Anabavy Roa Marary Nefa Nahavita Niaritra Nigadra Enim-bolana Satria Nampian’i Jehovah

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Leninskiy any Smolensk ny Ranabavy Tatyana Galkevich sy Valentina Vladimirova tamin’ny 14 Febroary 2024. Nomena sazy mihantona roa taona avy izy mirahavavy. Mbola tsy voatery migadra aloha ry zareo izao.

Zava-nitranga

  1. 14 Mey 2019

    Nampangain’ny manam-pahefana hoe mpanao heloka bevava i Tatyana sy Valentina. Nataon’ny polisy savahao ny tranon’izy mirahavavy, dia nosamboriny izy ireo. Nataony famotorana adiny 48 mahery izy ireo avy eo. Efa samy manana aretina mitaiza izy mirahavavy nefa mbola notanana am-ponja vonjimaika ihany

  2. 22 Novambra 2019

    Nafahana i Tatyana sy Valentina rehefa afaka enim-bolana, dia nambenana tao an-tranony

  3. 31 Desambra 2019

    Nampidirina hopitaly i Valentina fa niharatsy ny fahasalamany

  4. 6 Aogositra 2020

    Tsy nambenana tao an-tranony intsony i Tatyana rehefa afaka valo volana teo ho eo, saingy tsy navela niala tao an-tanànany. I Valentina indray mbola nambenana tao an-tranony, dia ny havany akaiky anankiray sy ny mpisolovavany ihany no azony iresahana

  5. 2 Oktobra 2020

    Taratasy 400 pejy no nisy ny fiampangana an’i Tatyana sy Valentina. Voalaza tao fa miray tsikombakomba “manafina ny ataon’ny fikambanana iray mampidi-doza”, hono, ry zareo

  6. 14 Oktobra 2020

    Naverin’ny mpitsara hodinihin’ny mpampanoa lalàna ilay raharaha taorian’ny fitsarana voalohany, satria nisy porofo tsy azo ampiasaina eny amin’ny fitsarana tao amin’ilay izy. Efa tsy nahavita nijoro intsony i Valentina nandritra an’ilay fitsarana voalohany noho ny aretina nahazo azy, nefa mbola tsy nanova ny fanapahan-keviny ihany ilay fitsarana fa mbola hoe nambenana tao an-tranony izy

  7. 25 Febroary 2021

    Nofoanan’ny fitsarana ambony indray ilay fanapahan-kevitra hoe averina any amin’ny mpampanoa lalàna ilay raharaha, fa ampakarina fitsarana ihany

Ilay voampanga

Mivavaka isika mba ho toy ny ‘hery sy ampinga’ foana i Jehovah ho an’i Valentina sy Tatyana, ary ho an’ny rahalahy sy anabavintsika rehetra enjehina any Rosia sy Crimée.​—Salamo 28:7.