Hijery ny anatiny

Avy eo ankavia miankavanana: Viktor Shipilov (mpisolovava), ny Rahalahy Konstantin Bazhenov, ny Ranabavy Snezhana Bazhenova, ny Ranabavy Vera Zolotova, Viktor Zhenkov (mpisolovava), ary Maksim Novakov (mpisolovava)

17 NOVAMBRA 2020 | VAOVAO FARANY: 15 DESAMBRA 2022
ROSIA

VAOVAO FARANY​—EFA NAMBARA HOE TSY NANAN-TSINY NEFA NOMELOHINA INDRAY | Vavolombelon’i Jehovah Anankitelo Nampakatra Fitsarana Nefa Nolavin’ny Fitsarana Rosianina

VAOVAO FARANY​—EFA NAMBARA HOE TSY NANAN-TSINY NEFA NOMELOHINA INDRAY | Vavolombelon’i Jehovah Anankitelo Nampakatra Fitsarana Nefa Nolavin’ny Fitsarana Rosianina

Efa nambara hoe tsy manan-tsiny ny Rahalahy Konstantin Bazhenov sy Snezhana vadiny ary ny Ranabavy Vera Zolotova teo aloha, nefa nomelohin’ny Tompon’andraikitry ny Fitsarana Momba ny Heloka Bevava ao amin’ny Fitsarana Tampon’i Rosia indray izy ireo tamin’ny 15 Desambra 2022. Naverina nampakarina fitsarana indray ilay raharaha. Nisy solontenan’ny ambasady avy amin’ny firenena enina, fara fahakeliny, tonga nanatrika an’ilay fitsarana mba hanohanana ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nolavin’ny Fitsarana Ambony Ambaratonga Fahasivy, tamin’ny 10 Jona 2022, ny fangatahana nataon’ny mpampanoa lalàna mba hanovana an’ilay didim-pitsarana hoe tsy meloka i Konstantin sy Snezhana ary Vera. Nangataka hampakatra fitsarana tany amin’ny Fitsarana Tampon’i Rosia àry ny mpampanoa lalàna.

Nanaiky ny fampakarana fitsarana fanindroany nataon’i Konstantin sy Snezhana vadiny, ary Vera ny Fitsarana ao amin’ny Faritr’i Kamchatka, tamin’ny 18 Janoary 2022. Nafahan’ny fitsarana madiodio izy telo mianadahy ary tonga dia mihatra izany didim-pitsarana izany. Afaka mangataka onitra izy ireo noho ny nanamelohana azy hoe mpanao heloka bevava. Hampakatra fitsarana ambony kokoa ny fampanoavana.

Tsy neken’ny Fitsarana tao amin’ny Faritr’i Kamchatka, tamin’ny 17 Novambra 2020, hoe hovana ny didim-pitsarana efa nivoaka momba an’i Konstantin sy Snezhana vadiny, ary Vera. Hampiharina amin’izy ireo amin’izay ny sazy mihantona roa taona nomena an-dry zareo. Tsy mbola halefa any am-ponja izy ireo. Mbola tsy mivadika sy falifaly foana ry zareo.

Tamin’ny 25 Septambra 2020, no niakatra fitsarana voalohany ny Rahalahy Bazhenov. Rehefa hifarana ilay fitsarana, dia nilaza tamin’ny mpitsara izy hoe tsy matahotra ny ho voaheloka. Nilaza koa izy fa efa naminany i Jesosy ao amin’ny Jaona 15:20 hoe henjehina ny mpianany, dia raisiny ho tombontsoa ilay hoe anisan’ny manatanteraka an’io faminaniana io.

Nampahatsiahiviny teo anatrehan’ny fitsarana koa fa nandidy ny mpianany mba hitory i Jesosy ao amin’ny Matio 28:19, 20. Nametraka an’izao fanontaniana mafonja izao izy avy eo hoe: “Misy manan-jo hanafoana an’izany didin’i Jesosy izany ve?” Nilaza izy avy eo hoe: “Tsy ho afaka ny hangina aho. ... Mbola hitory ny vaovao tsara ao amin’ny Baiboly foana aho.”