Hijery ny anatiny

Ny Anabavy Galina sy ny Rahalahy Sergey Kobelev, zanany lahy

15 JONA 2022 | VAOVAO FARANY: 23 DESAMBRA 2022
ROSIA

VAOVAO FARANY​—FANGATAHANA HAMPAKATRA FITSARANA | Sahy Nitory teo Anatrehan’ny Fitsarana i Galina Kobeleva

VAOVAO FARANY​—FANGATAHANA HAMPAKATRA FITSARANA | Sahy Nitory teo Anatrehan’ny Fitsarana i Galina Kobeleva

Namoaka didim-pitsarana ny Fitsaram-paritr’i Primorye, tamin’ny 21 Desambra 2022, hoe tsy nekeny amin’ny fomba feno ny fangatahana nataon’ny Ranabavy Galina Kobeleva rehefa nampakatra fitsarana izy. Mbola manan-kery ny sazy mihantona enin-taona nomena azy, saingy tsy mandoa ny vola lany any amin’ny fitsarana intsony izy.

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Lesozavodskiy, any amin’ny Faritanin’i Primorye ny Ranabavy Galina Kobeleva tamin’ny 20 Oktobra 2022. Nomen’io fitsarana io sazy mihantona enin-taona izy. Mbola tsy migadra anefa izy hatreto.

Zava-nitranga

  1. 12 Mey 2020

    Nosavan’ny polisy ny tranona Vavolombelon’i Jehovah efatra tany amin’ny Faritanin’i Primorye. Anisan’ilay voasava koa ny tranon’i Galina. Samy nadinadinina sy natao famotopotorana i Galina sy ny Rahalahy Sergey Kobelev, zanany lahy

  2. 8 Martsa 2021

    Nanomboka nampangain’ny manam-pahefana hoe mpanao heloka bevava i Galina, satria hoe nandray anjara tamin’ny asa nataon’ny fikambanana mampidi-doza, hono

  3. 7 Aprily 2021

    Tsy nahazo nandeha nivoaka ny faritra nisy azy izy

  4. 29 Oktobra 2021

    Nanomboka notsaraina izy satria hoe nanao heloka bevava

Ilay voampanga

Misaotra an’i Jehovah isika satria mbola hoentiny any amin’ny “toerana tsy mampidi-doza” ihany ny mpanompony tsy mivadika hoatran’i Galina, rehefa misikina herim-po hiaro ny anarany izy ireo.​—2 Samoela 22:18-21.