4 APRILY 2024 | VAOVAO FARANY: 9 APRILY 2024
ROSIA
VAOVAO FARANY—NOGADRAINA ILAY RAHALAHY | ‘Ny Mifandray Tsara Amin’i Jehovah no Tena Zava-dehibe Amiko’
Namoaka didy ny Fitsaran’i Avtozavodskiy any Tolyatti, Faritanin’i Samara, tamin’ny 8 Aprily 2024, fa voaheloka higadra telo taona ny Rahalahy Aleksandr Dolganov. Tonga dia naiditra am-ponja izy raha vao niala tao amin’ny fitsarana.
Ilay voampanga
Tena zava-dehibe ny mampiasa tsara ny fotoanantsika, hoatran’ny nataon’i Aleksandr, satria “ratsy” izao andro iainantsika izao.—Efesianina 5:15, 16.
Zava-nitranga
16 Mey 2023
Nosavana ny tranony. Nampidirina am-ponja vonjimaika izy
17 Mey 2023
Nafahana tany am-ponja ary nambenana tao an-tranony. Tsy navela nampiasa telefaonina sy Internet
10 Aogositra 2023
Tsy nambenana tao an-tranony intsony, saingy tsy nahazo nanao dia lavitra
13 Novambra 2023
Nanomboka notsaraina izy