Hijery ny anatiny

Rahalahy Boris Yagovitov sy Nataliya vadiny

30 SEPTAMBRA 2022
ROSIA

VAOVAO FARANY​—VOAHELOKA ILAY RAHALAHY | Miezaka Mijery Lafin-tsaran-javatra Izy mba Tsy ho Kivy

VAOVAO FARANY​—VOAHELOKA ILAY RAHALAHY | Miezaka Mijery Lafin-tsaran-javatra Izy mba Tsy ho Kivy

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Solnechniy, any amin’ny Faritanin’i Khabarovsk ny Rahalahy Boris Yagovitov tamin’ny 10 Oktobra 2022, dia nomena sazy mihantona dimy taona. Notanana am-ponja vonjimaika sivy volana izy. Tonga dia nafahana izy dia tsy migadra amin’izao.

Zava-nitranga

  1. 14 Desambra 2020

    Nohenoin’ny mpanao famotorana ny raki-peo misy ny resaka nifanaovan’i Boris sy ny polisy miafina izay mody niseho hoe liana tamin’ny Baiboly

  2. 14 Mey 2021

    Nampangaina hoe mpanao heloka bevava i Boris, satria hoe nandray anjara tamin’ny fivoriana nalamin’ny fikambanana mampidi-doza, hono, sady mbola nampiditra mpikambana vaovao tao amin’ilay fikambanana

  3. 5 Jona 2021

    Natao famotorana izy sy Nataliya nandritra ny fotoana nisavana ny tranony. Notanana tsy maharitra

  4. 7 Jona 2021

    Nafahana dia nambenana an-trano

  5. 29 Desambra 2021

    Nanomboka notsaraina. Nandritra an’ilay fitsarana, dia nangataka ilay mpampanoa lalàna hoe tanana am-ponja vonjimaika i Boris. Nandika ny fepetra tokony ho narahiny, hono, mantsy izy tamin’izy nambenana an-trano. Nasain’ny manam-pahefana notanana tany am-ponja vonjimaika àry izy

  6. 24 Febroary 2022

    Naverina tany amin’ny mpampanoa lalàna ilay raharaha, satria nisy tsy nety ny fomba fiasan’ny mpanao famotorana. Mbola tsy nafahana anefa i Boris fa mbola notanana am-ponja vonjimaika ihany

  7. 9 Jona 2022

    Nitohy indray ny fitsarana

Ilay voampanga

Modely tsara i Boris sy Nataliya satria miezaka mampifantoka ny sainy amin’ny zavatra mety sy mendri-piderana. Matoky isika fa hanampy azy ireo foana “ilay Andriamanitry ny fiadanana!”​—Filipianina 4:8, 9.

a Mbola notanana am-ponja vonjimaika ny Rahalahy Yagovitov tamin’ny nanomanana an’ity lahatsoratra ity, ka tsy afaka niresadresaka taminy izahay.