Hijery ny anatiny

Rahalahy Sergey Kuznetsov

5 MEY 2022 | VAOVAO FARANY: 26 DESAMBRA 2022
ROSIA

VAOVAO FARANY​—VOAHELOKA ILAY RAHALAHY | Omen’i Jehovah Hery i Sergey Kuznetsov

VAOVAO FARANY​—VOAHELOKA ILAY RAHALAHY | Omen’i Jehovah Hery i Sergey Kuznetsov

Nomelohin’ny fitsaram-paritr’i Vyazemskiy any amin’ny Faritanin’i Khabarovsk ny Rahalahy  Sergey Kuznetsov tamin’ny 22 Desambra 2022. Nahazo sazy mihantona roa taona sy dimy volana izy. Mbola tsy migadra izy hatreto.

Zava-nitranga

  1. 3 Septambra 2020

    Nataon’ny polisin’ny FSB savahao ny tranon’i Sergey. Nalain’izy ireo an-keriny ny Baiboly, fitaovana elektronika, clés USB, ary boky sy gazety

  2. 2 Aprily 2021

    Nampidirina tao anaty lisitry ny mpampihorohoro ny anarany, ary tsy afaka maka ny volany any amin’ny banky izy

  3. 9 Novambra 2021

    Nanomboka ny fitsarana azy

Ilay voampanga

Matoky isika fa hanome hery an’ireo rahalahy sy anabavy any Rosia sy Crimée i Jehovah, satria be fikirizana izy ireo noho ny anarany.​—Apokalypsy 2:3.