Hijery ny anatiny

Havia miankavanana, farany ambony: Rahalahy Sergey Agadzhanov; Ranabavy Lyubov Asatryan, Galina Dergacheva, ary Inna Kardakova

Afovoany: Ranabavy Irina Khvostova sy Galina Pechko; Rahalahy Konstantin Petrov, Ivan Puyda, ary Viktor Revyakin

Farany ambany: Rahalahy Mikhail Solntsev sy Oksana vadiny; Rahalahy Sergey Yerkin sy Yevgeniy Zyablov

17 OKTOBRA 2022 | VAOVAO FARANY: 7 MARTSA 2024
ROSIA

VAOVAO FARANY​—VOAHELOKA | Niakatra Fitsarana ny Vavolombelona 13 Tany Magadan

VAOVAO FARANY​—VOAHELOKA | Niakatra Fitsarana ny Vavolombelona 13 Tany Magadan

Nanameloka an’ireto rahalahy sy anabavy ireto ny Fitsaran’i Magadan any amin’ny Faritr’i Magadan, tamin’ny 6 Martsa 2024: Sergey Agadzhanov, Lyubov Asatryan, Galina Dergacheva, Inna Kardakova, Irina Khvostova, Galina Pechko, Konstantin Petrov, Ivan Puyda, Viktor Revyakin, Mikhail Solntsev, Oksana Solntseva, Sergey Yerkin, ary Yevgeniy Zyablov.

Nahazo sazy mihantona telo taona i Sergey Agadzhanov, Lyubov, Galina Dergacheva, Inna, Irina, Galina Pechko, Viktor, Mikhail, ary Oksana. Sazy mihantona dimy taona ny an’i Yevgeniy. Fito taona kosa ny an’i Konstantin, Ivan, ary Sergey Yerkin. Mbola tsy miditra am-ponja aloha ireo rahalahy sy anabavy ireo amin’izao.

Zava-nitranga

  1. 30 Mey 2018

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava i Ivan, Konstantin, Sergey Yerkin, ary Yevgeniy, satria hoe nandamina ny asan’ny fikambanana iray mampidi-doza

  2. 1 Jona 2018

    Notanana am-ponja vonjimaika daholo ireo rahalahy efatra ireo

  3. 3 Aogositra 2018

    Nafahana avy tany am-ponja i Konstantin ary nambenana tao an-trano

  4. 5 Oktobra 2018

    Nafahana avy tany am-ponja i Ivan, Sergey Yerkin, ary Yevgeniy ary nambenana tao an-trano

  5. 20 Martsa 2019

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava i Sergey Agadzhanov, Galina Dergacheva, Inna, Irina, Lyubov, Mikhail, Oksana, ary Viktor. Tsy navela nanao dia lavitra izy rehetra ireo

  6. 27 Martsa 2019

    Tsy nambenana tao an-trano intsony i Ivan, Konstantin, Sergey Yerkin, ary Yevgeniy, fa tsy navela nanao dia lavitra

  7. 1 Aprily 2019

    Natambatra ho raharaha iray ihany ireo fiampangana ireo

  8. 2 Martsa 2021

    Tsy navela nanao dia lavitra i Galina Pechko

  9. 5 Martsa 2021

    Nampangaina ho nanohana fikambanana iray mampidi-doza i Galina Pechko, ary natambatra ho raharaha iray ihany ny fiampangana azy sy ny an’ireo rahalahy sy anabavy 12

  10. 25 Aprily 2022

    Nanomboka ny fitsarana azy ireo

Ireo voampanga

Mampahery antsika ny mahita an’ireo rahalahy sy anabavy falifaly foana na dia ‘haratsiratsin’ny olona noho ny anaran’i Kristy [aza], satria ry zareo manana ny fanahin’Andriamanitra.’​—1 Petera 4:14.

a Mbola tsy nisy resadresaka nifanaovana tamin’i Sergey Agadzhanov.