Hijery ny anatiny

Rahalahy Denis Merkulov sy Nataliya vadiny

27 DESAMBRA 2022 | VAOVAO FARANY: 27 MARTSA 2023
ROSIA

VAOVAO FARANY: ASAINA MANDOA LAMANDY | “Hampahery Antsika i Jehovah Rehefa Miatrika Fitsapana Isika”

VAOVAO FARANY: ASAINA MANDOA LAMANDY | “Hampahery Antsika i Jehovah Rehefa Miatrika Fitsapana Isika”

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Apatity, any amin’ny Faritanin’i Mourmansk, ny Rahalahy Denis Merkulov tamin’ny 23 Martsa 2023. Nasaina nandoa lamandy 500 000 rouble (27 tapitrisa ariary eo ho eo) izy.

Ilay voampanga

Mampahery antsika ny mahalala hoe na inona na inona fitsapana iaretantsika, dia ‘hanampy antsika ho mafy orina’ i Jehovah sady “hanatanjaka” antsika, raha mifandray tsara aminy isika sady matoky azy.​—1 Petera 5:10.

Zava-nitranga

  1. 21 Jolay 2021

    Tranona Vavolombelon’i Jehovah 14 no nataon’ny polisy savahao tao Apatity sy teny amin’ny manodidina. Niditra an-keriny tao amin’ny tranon-dry Merkulov ny polisin’ny FSB ary nentin-dry zareo natao famotorana izy mivady. Nafahana ry zareo ny ampitson’iny tamin’ny efatra maraina

  2. 22 Jolay 2021

    Nasain’ny manam-pahefana niverina tany amin’ny biraon’ny mpanao famotorana i Denis, dia notanana am-ponja vonjimaika izy avy eo

  3. 23 Jolay 2021

    Nafahana ary nanomboka nambenana tao an-tranony

  4. 17 Septambra 2021

    Nafahana ary tsy navela hanao dia lavitra

  5. 15 Jolay 2022

    Nomelohina tamin’ny fomba ofisialy hoe nandamina asan’ny fikambanana mampidi-doza, satria “nihira” sy “nivavaka tamin’i Jehovah Andriamanitra”

  6. 20 Septambra 2022

    Nanomboka ny fitsarana azy