Hijery ny anatiny

Havia: Rahalahy Sergey Gobozev. Havanana: Rahalahy Mikhail Potapov sy Tamara vadiny

3 MEY 2022 | VAOVAO FARANY: 26 MARTSA 2024
ROSIA

VAOVAO FARANY: ASAINA MANDOA LAMANDY | Lasa Nihanahery Rehefa Nivavaka

VAOVAO FARANY: ASAINA MANDOA LAMANDY | Lasa Nihanahery Rehefa Nivavaka

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Votkinskiy, any amin’ny Repoblikan’i Oudmourtie ny Rahalahy Sergey Gobozev sy Mikhail Potapov tamin’ny 25 Martsa 2024. Voasazy handoa lamandy 450 000 roubles (21 tapitrisa ariary mahery) i Sergey Gobozev ary 400 000 roubles (18 tapitrisa ariary mahery) i Mikhail Potapov.

Zava-nitranga

  1. 20 Janoary 2021

    Nomelohina hoe mpanao heloka bevava i Sergey sy Mikhail satria, hono, nandamina asan’ny fikambanana “mampidi-doza”

  2. 21 Janoary 2021

    Nosavana ny tranon’i Sergey. Nalain’ny manam-pahefana ny fitaovany sy taratasiny sasany, toy ny taratasy fahazoan-dalana hitondra fiara, taratasin’ny fiarany, fitaovana elektronika, album misy ny sariny, ary ny Baiboliny rehetra amin’ny fandikan-teny maromaro. Nosamborin’ny manam-pahefana i Mikhail

  3. 22 Janoary 2021

    Nambenana an-trano i Sergey. I Mikhail indray notanana am-ponja vonjimaika

  4. 18 Mey 2021

    Tsy nambenana an-trano intsony i Sergey, nefa mbola tsy nahazo nivoaka ny tanàna nisy azy

  5. 19 Mey 2021

    Navoaka tany am-ponja i Mikhail dia tsy navela niala ny tanàna nisy azy

  6. 7 Oktobra 2021

    Nanomboka notsaraina izy ireo

Ireo voampanga

Mino isika fa mbola hanohana an’i Sergey sy Mikhail i Jehovah satria miezaka mafy manatanjaka ny finoany izy ireo, ka mianatra Baiboly sy mivavaka.​—Kolosianina 2:6, 7.