Hijery ny anatiny

Avy eo ankavia miankavanana: Rahalahy Maksim Amosov, Mikhail Gordeev, Nikolay Leshchenko, ary Dmitriy Ravnushkin

21 FEBROARY 2022 | VAOVAO FARANY: 31 JOLAY 2023
ROSIA

VAOVAO FARANY: ASAINA MANDOA LAMANDY | Manampy Azy Ireo Hanana Finoana Matanjaka ny Mpiara-manompo

VAOVAO FARANY: ASAINA MANDOA LAMANDY | Manampy Azy Ireo Hanana Finoana Matanjaka ny Mpiara-manompo

Nomelohin’ny fitsaran’i Petrozavodsk, any amin’ny Repoblikan’i Carélie ny Rahalahy Maksim Amosov, Mikhail Gordeev, Nikolay Leshchenko, ary Dmitriy Ravnushkin, tamin’ny 28 Jolay 2023. Voasazy handoa lamandy 450 000 rouble (20 tapitrisa ariary mahery) ka hatramin’ny 500 000 rouble (23 tapitrisa ariary eo ho eo) izy ireo.

Zava-nitranga

  1. 31 Jolay 2019

    Nataon’ny polisin’ny FSB savahao ny tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah 16

  2. 2 Aogositra 2019

    Tsy navelan’ny mpanao famotorana hiala ao amin’ilay faritra misy azy i Maksim. Nampangain’ny manam-pahefana ho mpanao heloka bevava i Nikolay, ary tsy navela hiala ao amin’ilay faritra misy azy

  3. 6 Aogositra 2019

    Nampangain’ny mpanao famotorana ho “nanao heloka bevava” i Maksim sy Nikolay satria nianatra Baiboly

  4. 5 Septambra 2019

    Notazonin’ny polisin’ny FSB tao amin’ny toeram-piasany i Mikhail, ary nalain’izy ireo an-keriny ny ordinaterany. Nampangain’ny mpanao famotorana ho mpanao heloka bevava izy

  5. 20 Septambra 2019

    Nataon’ny polisin’ny FSB savahao ny toeram-piasan’i Dmitriy, ary nalain’izy ireo an-keriny ny telefaoniny. Nalaina am-bavany nandritra ny adiny efatra i Dmitriy. Nampangain’ny mpanao famotorana ho mpanao heloka bevava izy avy eo, ary tsy navela hiala ao amin’ilay faritra misy azy

  6. 18 Oktobra 2021

    Nanomboka ny fitsarana azy ireo

Ireo voampanga

Faly be isika satria tsy miala amin’ny fahamarinana mihitsy ireo rahalahintsika any Rosia, na dia eo aza ny fanenjehana.​—3 Jaona 4.

a b Tsy nisy fahafahana niresaka taminy.