30 MEY 2023 | VAOVAO FARANY: 6 MARTSA 2024
ROSIA
VAOVAO FARANY: ASAINA MANDOA LAMANDY | Tsapan’ny Rahalahintsika any Teykovo fa Manohana Azy Ireo i Jehovah
Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Teykovskiy, any amin’ny Faritr’i Ivanovo, ny Rahalahy Sergey Galyamin, Anatoliy Lyamo, Vladimir Spivak, ary Aleksandr Vasichkin, tamin’ny 29 Febroary 2024. Samy nasaina nandoa lamandy ireo rahalahy ireo. Mitentina 600 000 roubles (6 564 dolara amerikanina) ny lamandy nasaina naloan’i Vladimir, 650 000 roubles (7 111 dolara amerikanina) ny an’i Sergey, ary 1 100 000 roubles (12 034 dolara amerikanina) avy ny an’i Aleksandr sy Anatoliy.
Ireo voampanga
Fantatsika fa na inona na inona fitsapana atrehintsika eto amin’izao tontolo izao, dia mandalo ihany ireny raha oharina amin’ny fitahiana mandrakizay omanin’i Jehovah ho an’ny mpanompony tsy mivadika.—2 Korintianina 4:17, 18.
Zava-nitranga
10 Aprily 2020
Nampangaina ho mpanao heloka bevava
11 Aprily 2020
Nosavana ny tranon’izy ireo
16 Aprily 2020
Tsy navela hanao dia lavitra
2 Febroary 2023
Nanomboka ny fitsarana