Hijery ny anatiny

Rahalahy Yevgeniy Korotun

25 NOVAMBRA 2021
ROSIA

VAOVAO FARANY | Ampaherezin’i Jehovah ny Rahalahy Yevgeniy Korotun

VAOVAO FARANY | Ampaherezin’i Jehovah ny Rahalahy Yevgeniy Korotun

Nolavin’ny Fitsaram-paritr’i Tomsk ny fampakarana fitsarana nataon’ny Rahalahy Yevgeniy Korotun, tamin’ny 16 Mey 2022. Mbola migadra àry izy.

Nomelohin’ny Fitsaran’i Severskiy any amin’ny Faritr’i Tomsk i Yevgeniy, tamin’ny 20 Janoary 2022, ary voasazy higadra fito taona. Tonga dia mihatra avy hatrany ny saziny.

Zava-nitranga

  1. 31 Martsa 2021

    Nanomboka ny fitsarana azy

  2. 7 Septambra 2020

    Nambenana tao amin’ny toerana iray ary notanana am-ponja vonjimaika rehefa avy niseho tany amin’ny fitsarana

  3. 15 Jolay 2020

    Nambenana tao an-tranony

  4. 14 Jolay 2020

    Nataon’ny polisin’ny FSB savahao ny tranon’ny fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah enina any Seversk, anisan’izany ny tranon-dry Korotun

  5. 13 Jolay 2020

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava i Yevgeniy

  6. 2018–2019

    Nisy lehilahy roa mody niseho hoe liana tamin’ny Baiboly. Polisy anefa izy ireo, raha ny marina, ary nandray feo an-tsokosoko ny resaka nifanaovany tamin’i Yevgeniy mba hatao porofo hiampangana azy

Ilay voampanga

Matoky isika hoe tohanan’i Jehovah ny fianakaviana Korotun sy ireo rehetra manompo azy foana na dia ao anatin’ny sarotra aza.​—Romanina 15:5.

a Any am-ponja izao ny Rahalahy Korotun, ka tsy nisy fahafahana hiresaka taminy.