Hijery ny anatiny

Avy eo ankavia miankavanana: Rahalahy Marat Abdulgalimov, Arsen Abdullaev, Anton Dergalev, ary Ranabavy Mariya Karpova

20 AOGOSITRA 2021 | VAOVAO FARANY: 28 Novambra 2022
ROSIA

VAOVAO FARANY: DIDIM-PITSARANA | Ampian’i Jehovah ny Rahalahy Telo sy ny Anabavy Iray any Dagestan na dia Migadra Aza

Ampian’i Jehovah ny Rahalahy Telo sy ny Anabavy Iray any Dagestan na dia Migadra Aza

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Kirovskiy any Makhachkala ny Rahalahy Marat Abdulgalimov, Arsen Abdullaev, Anton Dergalev, ary ny Ranabavy Mariya Karpova, tamin’ny 24 Novambra 2022. Nomena sazy mihantona enin-taona ka hatramin’ny enin-taona sy tapany izy ireo. Mbola tsy miditra am-ponja aloha izy ireo izao.

Zava-nitranga

  1. 27 Mey 2020

    Lasa nambenana tao an-tranony i Marat, Arsen, Anton, ary Mariya, rehefa avy notanana am-ponja vonjimaika nandritra ny 362 andro, izany hoe herintaona latsaka kely

  2. 4 Jona 2019

    Nasain’ny Fitsaram-paritr’i Sovetskiy any Makhachkala notanana am-ponja vonjimaika izy efatra mianadahy

  3. 1 Jona 2019

    Nanao bemidina tany amin’ny tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah 13 tany Dagestan ny polisy miafina rosianina, izany hoe ny polisin’ny FSB

  4. 27 Mey 2019

    Nampangain’ny biraon’ny FSB any Dagestan ho mpanao heloka bevava i Marat, Arsen, Anton, ary Mariya

Ireo voampanga

Matoky tanteraka isika fa hanao zavatra mifanaraka amin’ny anarany i Jehovah Andriamanitra, ka ho tonga izay rehetra ilaina mba hiarovana sy hanampiana ny vahoakany.​—Eksodosy 3:14.