Hijery ny anatiny

Rahalahy Sergey Chechulin sy Yelena vadiny

19 MARTSA 2024 | VAOVAO FARANY: 5 NOVAMBRA 2024
ROSIA

VAOVAO FARANY: DIDIM-PITSARANA NOFOANANA | ‘I Jehovah no Mampionona Ahy’

VAOVAO FARANY: DIDIM-PITSARANA NOFOANANA | ‘I Jehovah no Mampionona Ahy’

Nofoanan’ny Fitsarana Ambony Ambaratonga Fahasivy, ao Vladivostok, ny sazin’ny Rahalahy Sergey Chechulin sy ny Ranabavy Yelena Chechulina, vadiny, tamin’ny 30 Oktobra 2024. Naverina hotsarain’ilay fitsarana niandraikitra an’ilay izy tamin’ny voalohany ilay raharaha.

Nomelohin’ny Fitsarana any Petropavlovsk-Kamtchatski, Faritanin’i Kamchatka, ny Rahalahy Sergey Chechulin sy ny Ranabavy Yelena Chechulina, vadiny, tamin’ny 22 Aprily 2024. Samy nomena sazy mihantona roa taona izy mivady. Mbola tsy naiditra am-ponja aloha ry zareo izao.

Ireo voampanga

Hoatran’i Sergey sy Yelena koa isika, ka sarobidy amintsika ny Tenin’Andriamanitra. Fanomezana tonga lafatra mantsy izy io, satria manatanjaka antsika sady manome ny fahendrena ilaintsika. (Salamo 19:7) Tsy hivadika mihitsy isika amin’izay na dia miatrika fitsapana aza.

Zava-nitranga

  1. 25 Septambra 2022

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava

  2. 17 Oktobra 2022

    Nosavana ny tranony

  3. 6 Septambra 2023

    Tsy nahazo nanao dia lavitra i Sergey

  4. 7 Septambra 2023

    Tsy nahazo nanao dia lavitra i Yelena

  5. 26 Desambra 2023

    Nanomboka notsaraina