Hijery ny anatiny

Ilay Fitsaram-paritr’i Moskovskiy any Nizhny Novgorod; Sary kely: Rahalahy Maksim Zavrazhnov

20 APRILY 2022
ROSIA

VAOVAO FARANY | Falifaly Foana i Maksim Zavrazhnov

VAOVAO FARANY | Falifaly Foana i Maksim Zavrazhnov

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Moskovskiy any Nizhny Novgorod ny Rahalahy Maksim Zavrazhnov, tamin’ny 30 Mey 2022. Nomena sazy mihantona enin-taona izy fa tsy migadra.

Zava-nitranga

  1. 4 Jona 2019

    Nanomboka nanadihady ny Rahalahy Zavrazhnov ny manam-pahefana

  2. 17 Jolay 2019

    Nomelohina tamin’ny fomba ofisialy satria hoe nandamina asan’ny fikambanana mampidi-doza, hono. Nosamboriana izy dia nalaina am-bavany, ary voatazona tany indray alina

  3. 18 Jolay 2019

    Noferana ny zavatra azony atao, ohatra hoe tsy navela nampiasa telefaonina na Internet. Tsy navela hivoaka ny trano koa izy teo anelanelan’ny tamin’ny 9 alina ka hatramin’ny 9 maraina

  4. 3 Febroary 2020

    Tsy noferana intsony ny zavatra azony natao

  5. 26 Febroary 2020

    Tsy navela hiala an’ilay faritra izy, na hanao dia lavitra

  6. 6 Desambra 2021

    Nanomboka ny fitsarana azy

Ilay voampanga

Mbola mitohy izao ny fanenjehana ny rahalahy sy anabavintsika any Rosia sy Crimée, kanefa vao mainka isika lasa matoky an’i Jehovah hoe tsy hahafoy an’izay tsy mivadika aminy mihitsy izy.​—Hebreo 13:5.