Hijery ny anatiny

Avy any ankavia miankavanana: Rahalahy Ilkham Karimov, Konstantin Matrashov, Vladimir Myakushin, ary Aydar Yulmetyev

19 MEY 2021
ROSIA

VAOVAO FARANY | Faly ny Rahalahy any Tatarstan fa Manohana Azy Ireo ao Anatin’ny Fitsapana i Jehovah

VAOVAO FARANY | Faly ny Rahalahy any Tatarstan fa Manohana Azy Ireo ao Anatin’ny Fitsapana i Jehovah

Tamin’ny 2 Septambra 2022, dia nolavin’ny Fitsarana Tampony any amin’ny Repoblikan’i Tatarstan ny fampakarana fitsarana nataon’ny Rahalahy Ilkham Karimov, Konstantin Matrashov, Vladimir Myakushin, ary Aydar Yulmetyev. Mbola tsy naiditra am-ponja aloha izy ireo izao.

Nomelohin’ny fitsaram-paritr’i Naberejnyie Tchelny, any amin’ny Repoblikan’i Tatarstan, i Ilkham, Konstantin, Vladimir, ary Aydar, tamin’ny 16 Desambra 2021. Sazy mihantona roa taona sy tapany avy no azon’i Ilkham sy Konstantin. Sazy mihantona telo taona sy iray volana kosa ny an’i Vladimir ary sazy mihantona roa taona sy sivy volana ny an’i Aydar.

Ireo voampanga

Ilkham Karimov

  • Teraka: 1981 (Jomboï, Ouzbékistan)

  • Mombamomba azy: Nianatra ho mpanamboatra vera. Asa maromaro no nataony tany Ouzbékistan mba hamelomana ny fianakaviany. Nifindra tany Rosia tamin’ny 2000. Nangataka ny fanampian’Andriamanitra izy, indray mandeha, tamin’ny 2001. Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ny ampitso ary nanomboka nianatra Baiboly. Natao batisa tamin’ny 2004. Nanambady an’i Yulia tamin’ny 2012

Konstantin Matrashov

  • Teraka: 1988 (Prokopievsk)

  • Mombamomba azy: Maty ny dadany tamin’izy mbola kely. Mpanamboatra fiara simba no asany. Tamin’izy valo taona no lasa Vavolombelon’i Jehovah ny mamany, ary izy izao no mikarakara an’io mamany io. Liana tamin’ny zavatra ampanantenain’ny Baiboly. Natao batisa tamin’ny 2018

Vladimir Myakushin

  • Teraka: 1987 (Nijnekamsk)

  • Mombamomba azy: Nahazo diplaoma tamin’ny sekoly teknika sy nahazo diplaoman’ny injeniera. Injeniera amin’ny fanamboarana fitaovana elektrika amin’ny fiara. Tiany be ny Baiboly satria feno fahendrena sy mazava ary mitombina tsara ny zavatra voalaza ao. Natao batisa tamin’ny 2013. Nanambady an’i Svetlana tamin’ny 2017

Aydar Yulmetyev

  • Teraka: 1993 (Nijnekamsk)

  • Mombamomba azy: Nianatra mozika sy nianatra nanamboatra fiara. Mpivarotra sy mpanamboatra fiara simba no asany. Nanomboka nianatra Baiboly rehefa nahita hoe nahasoa ny ray aman-dreniny ny toro lalan’ny Baiboly. Natao batisa tamin’ny 2012. Nanambady an’i Albina tamin’ny 2013. Tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany efa nozarina hanaraka ny Baiboly. Nanao fanompoana sivily ho solony

Mombamomba an’ilay raharaha

Nanao bemidina tany an-tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah folo ny polisy any Tatarstan, tamin’ny 27 Mey 2018. Notanana am-ponja vonjimaika avy eo i Ilkham, Konstantin, Vladimir, ary Aydar. Notazonina tany dimy volana mahery izy ireo, izay vao nalefa nody ary tsy navela hivoaka ny tranony.

Efa afaka mivoaka ny tranony izy ireo izao. Nampidirina ao anatin’ilay lisitry ny olona “mampidi-doza” any Rosia anefa ny anaran’izy ireo, ary namoaka didy ny fitsarana hoe tsy mahazo mivoaka ny faritra misy azy izy ireo. Tsy afaka maka ny volany any amin’ny banky izy ireo vokatr’izany, sady sahirana rehefa mitady asa.

Hoy i Aydar rehefa mahatsiaro ny zavatra niainany tamin’izy notanana am-ponja vonjimaika: “Tena betsaka ny andinin-teny niverina tao an-tsaiko. ... Raha izaho fotsiny amin’izao tsy hahavita hitadidy zavatra be dia be hoatr’izany, fa i Jehovah mihitsy no nanampy ahy.”

Natahotra i Konstantin tamin’izy niditra tao amin’ilay fonja hitanana azy vonjimaika. Tonga anefa izy dia nitady hevitra hiresahana ny zavatra inoany tamin’ny olona ambony tao amin’ny fitsarana, ny mpiambina, ny voafonja hafa, ny polisy, ary ny tompon’andraikitry ny fonja. Hoy izy: “Afaka nitory bebe kokoa noho ny tamin’izaho olona afaka aho rehefa notanana am-ponja. Hoatran’ity nosoratan’ny apostoly Paoly ao amin’ny Filipianina 1:12, 13 ity mihitsy no niainako: ‘Ary tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa vao mainka aza nampandroso ny vaovao tsara ny zavatra manjo ahy. Dia lasa fantatry ny olona eo amin’ireo Mpiambina An’i Kaisara sy ny olona hafa rehetra fa noho i Kristy no nahatonga ahy ho voafatotra rojo vy.’”

Tena nankasitraka an’ireo rahalahy sy anabavy nanampy azy i Vladimir. Hoy izy: “Henoko tamin’ny vadiko hoe matetika no nisy mpiara-manompo nanome vola azy, dia izay no nahafahany nividy sy nandefa zavatra ho ahy. Misy fetrany ny habetsahan’ny entana azonay raisina isam-bolana, dia matetika ilay fetra faran’ny ambony foana ny ahy.”

Nilaza i Ilkham hoe vao mainka izy lasa mpinamana be amin’i Jehovah. Hoy izy: “Lasa akaiky kokoa an’ilay Raiko any an-danitra aho rehefa tratran’iny fitsapana iny. Matoky kokoa azy aho izao sady miantehitra aminy kokoa. Ny vavaka nataoko koa lasa lava kokoa sy nisy heviny kokoa ary feno hafanam-po kokoa.”

Fantatsika fa hotahin’i Jehovah ireo rahalahy ireo sy ny fianakaviany satria ‘mahafoy tena tanteraka ho an’Andriamanitra sy matotra tsara’, na dia miatrika fitsapana aza.​—1 Timoty 2:2.