Hijery ny anatiny

Rahalahy Aleksey Gerasimov

3 MEY 2023 | VAOVAO FARANY: 13 DESAMBRA 2023
ROSIA

VAOVAO FARANY: GADRAINA ILAY RAHALAHY | ‘Fantatr’i Jehovah Foana hoe Inona no Mahazo Ahy’

VAOVAO FARANY: GADRAINA ILAY RAHALAHY | ‘Fantatr’i Jehovah Foana hoe Inona no Mahazo Ahy’

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Kirovskiy any Kazan higadra enin-taona ny Rahalahy Aleksey Gerasimov, tamin’ny 7 Desambra 2023. Tonga izy dia naiditra am-ponja rehefa vita ny fitsarana azy.

Ilay voampanga

Fantatsika fa tsy hanary ny mpanompony tsy mivadika mihitsy i Jehovah. Tsy mivadika izy, ary hanampy antsika hiaritra an’izay zava-tsarotra iainantsika, na inona izany na inona.​—1 Korintianina 10:13.

Zava-nitranga

  1. 10 Febroary 2022

    Nisokatra ny raharaham-pitsarana niampangana azy ho mpanao heloka bevava

  2. 18 Martsa 2022

    Nosavana ny tranony dia natao famotorana izy

  3. 23 Septambra 2022

    Tsy navela hanao dia lavitra

  4. 22 Febroary 2023

    Nanomboka ny fitsarana