Hijery ny anatiny

Rahalahy Aleksey Khabarov

1 SEPTAMBRA 2021 | VAOVAO FARANY: 25 OKTOBRA 2023
ROSIA

VAOVAO FARANY: GADRAINA ILAY RAHALAHY | Lasa Tsy Natahotra ny Rahalahy Aleksey Khabarov Satria Nivavaka sy Namaky ny Tenin’Andriamanitra

VAOVAO FARANY: GADRAINA ILAY RAHALAHY | Lasa Tsy Natahotra ny Rahalahy Aleksey Khabarov Satria Nivavaka sy Namaky ny Tenin’Andriamanitra

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Porkhovskiy any amin’ny Faritr’i Pskov higadra roa taona sy tapany ny Rahalahy Aleksey Khabarov, tamin’ny 20 Oktobra 2023. Taorian’ny fampakarana fitsarana nataon’ny mpampanoa lalàna no nivoaka io didy io. Fanintelony tamin’io ny Rahalahy Khabarov no niakatra fitsarana. Nampidirina am-ponja izy raha vao vita ilay fitsarana.

Nilaza ny Fitsaram-paritr’i Porkhovskiy any amin’ny Faritr’i Pskov, tamin’ny 27 Jona 2022, fa tsy meloka ny Rahalahy Aleksey Khabarov. Tsy voaheloka ho mpanao heloka bevava intsony izy.

Zava-nitranga

  1. ● Noraisin’ny Fitsaram-paritr’i Pskov, tamin’ny 26 Novambra 2021, ny fampakarana fitsarana nataon’i Aleksey. Naverina tany amin’ilay fitsarana niandraikitra an’ilay izy tamin’ny voalohany ilay raharaha, mba hotsarain’ny mpitsara hafa. Tsy migadra izy amin’izao

  2. 7 Septambra 2021

    Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Porkhovskiy any amin’ny Faritr’i Pskov i Aleksey, dia nomeny sazy mihantona telo taona

  3. 29 Oktobra 2020

    Nampangaina hoe mpanao heloka bevava i Aleksey ary nanomboka notsaraina

  4. 28 Aogositra 2020

    Nomelohina tamin’ny fomba ofisialy i Aleksey hoe mpanao heloka bevava satria “nandray anjara be tamin’ny fivoriana ara-pivavahana” niaraka tamin’ny mpiray finoana taminy. ‘Niresaka momba ny finoany sy namaky Baiboly’ anefa ry zareo tamin’izany, dia ‘nandinika hevitra avy tao amin’ny Soratra Masina, ary nihira hiram-pivavahana’

  5. 7 Febroary 2020

    Natao famotorana fanindroany i Aleksey. Nandritra an’ilay famotorana no nahafantarana fa hay nohenoin’ny manam-pahefana sy nalain-dry zareo feo ny resaka nataony tamin’ny telefaoniny, tamin’ny 2018

  6. 31 Janoary 2020

    Voaheloka hoe nanao heloka bevava i Aleksey

  7. 24 Mey 2019

    Nanoratra tany amin’ny Ombudsman Mpiaro ny Zon’olombelona any amin’ny Faritr’i Pskov i Aleksey. Nohazavain’i Aleksey tao fa tsy mpanao heloka bevava izy fa mpivavaka manao ny marina. Namaly ny ombudsman dia niaiky hoe manan-jo hifidy sy hanaraka an’izay tiany hinoana i Aleksey

  8. 3 Aprily 2019

    Nosavana ny tranon’i Aleksey, dia nalaina ny fananany sasany. Nataon’ny manam-pahefana famotorana izy

Ilay voampanga

Miara-miaiky tanteraka amin’i Aleksey isika hoe manampy ny mpanompony tsy mivadika foana i Jehovah mba ‘hanana herim-po’ ry zareo dia ‘hatanjaka ny fony.’​​—Salamo 27:14.