Hijery ny anatiny

Avy any ankavia miankavanana: Rahalahy Rinat Kiramov sy Galina vadiny, Rahalahy Sergey Korolev sy Yekaterina vadiny, Rahalahy Sergey Kosyanenko sy Olga vadiny

29 MARTSA 2023 | VAOVAO FARANY: 18 Aprily 2023
ROSIA

VAOVAO FARANY: GADRAINA IREO RAHALAHY | Ampian’i Jehovah ny Rahalahintsika Migadra

VAOVAO FARANY: GADRAINA IREO RAHALAHY | Ampian’i Jehovah ny Rahalahintsika Migadra

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Akhtoubinski any amin’ny Faritanin’i Astrakhan higadra fito taona ny Rahalahy Rinat Kiramov sy Sergey Korolev ary Sergey Kosyanenko, tamin’ny 17 Aprily 2023. Efa hatramin’ny Novambra 2021 izy telo lahy ireo no notanana am-ponja vonjimaika, ary mbola any izy ireo.

Ireo voampanga

Mampionona antsika ny mahafantatra fa tena fialofana ho an’ny mpanompony tsy mivadika i Jehovah, ary ‘hanohana antsika ny sandriny maharitra mandrakizay.’​—Deoteronomia 33:27.

Zava-nitranga

  1. 9 Novambra 2021

    Nisokatra ny raharaham-pitsarana. Nosavan’ny manam-pahefana ny trano 15 misy Vavolombelon’i Jehovah any Akhtoubinsk sy Znamensk, anisan’izany ny tranon’ny Rahalahy Kiramov sy Korolev ary Kosyanenko

  2. 10 Novambra 2021

    Nosamborina i Sergey Korolev

  3. 11 Novambra 2021

    Nosamborina i Rinat Kiramov sy Sergey Kosyanenko. Nampidirina am-ponja vonjimaika izy telo mirahalahy

  4. 14 Novambra 2021

    Nanomboka ny fitsarana

a b Tsy mbola azo natao ny niresadresaka tamin’ny Rahalahy Kiramov sy Kosyanenko