Hijery ny anatiny

Avy eo ankavia miankavanana: Rahalahy Sergey Afanasiyev, Anton Olshevskiy, Adam Svarichevskiy, Sergey Yermilov

18 MEY 2022 | VAOVAO FARANY: 21 DESAMBRA 2022
ROSIA

VAOVAO FARANY: GADRAINA IREO RAHALAHY | Manampy An’ireo Rahalahintsika Hiaritra ny Fanantenana

VAOVAO FARANY: GADRAINA IREO RAHALAHY | Manampy An’ireo Rahalahintsika Hiaritra ny Fanantenana

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Blagoveshchensk ao amin’ny Faritr’i Amour ny Rahalahy Sergey Afanasiyev, Sergey Kardakov, a Anton Olshevskiy, Adam Svarichevskiy, ary Sergey Yermilov. Migadra enin-taona sy dimy volana ny Rahalahy Afanasiyev, ary ny Rahalahy Kardakov indray enin-taona sy efa-bolana. Ny Rahalahy Olshevskiy, Svarichevskiy, ary Yermilov kosa migadra enin-taona sy telo volana. Tonga dia nentina tany am-ponja ry zareo rehefa vita ny fitsarana.

Zava-nitranga

  1. 20 Jolay 2018

    Nataon’ny polisy savahao ny tranon’ny Rahalahy Afanasiyev sy Olshevskiy ary Svarichevskiy

  2. 21 Oktobra 2019

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava ny Rahalahy Yermilov sy Olshevskiy, satria nanao asa ara-pivavahana nolazain’ny manam-pahefana hoe “mampidi-doza ny fiaraha-monina”

  3. 10 Septambra 2020

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava ny Rahalahy Svarichevskiy, satria hoe nandray anjara tamin’ny zavatra fanaon’ny fikambanana raran’ny fanjakana, niaraka tamin’ny Rahalahy Olshevskiy sy Yermilov

  4. 18 Septambra 2020

    Nampidirina ho anisan’ireo voampanga koa ny Rahalahy Afanasiyev

  5. 24 Septambra 2020

    Natao savahao ny tranon’ny Rahalahy Kardakov. Nampidirina ho anisan’ireo voampanga koa izy, ary nampangaina hoe manohintohina ny filaminam-pirenena satria mamaky Baiboly sy mivavaka amin’i Jehovah Andriamanitra

  6. 12 Martsa 2021

    Nampidirina ho anisan’ireo voampanga koa ny Rahalahy Olshevskiy, satria hoe nandamina fivoriana ara-pivavahana raran’ny fanjakana sady nandamina asa fitoriana

  7. 21 Oktobra 2021

    Nanomboka ny fitsarana azy ireo

Ireo voampanga

Tena ohatra tsara ho antsika ireo rahalahy ireo satria tsy mampifantoka ny masony amin’ny fanenjehana, izay mihelina ihany, fa amin’ilay valisoa maharitra mandrakizay, izay miandry an’ireo matoky an’i Jehovah.​—2 Korintianina 4:17, 18.

a b Tsy nahazo ny sarin’ny Rahalahy Sergey Kardakov izahay, sady tsy afaka niresaka taminy sy tamin’ny Rahalahy Anton Olshevskiy.