Hijery ny anatiny

Avy any ankavia miankavanana: Rahalahy Roman Mareyev, Rahalahy Anatoliy Marunov, ary Rahalahy Sergey Tolokonnikov sy Mariya vadiny

10 FEBROARY 2023 | VAOVAO FARANY: 14 JOLAY 2023
ROSIA

VAOVAO FARANY: GADRAINA IREO RAHALAHY | Rahalahy Telo Tsaraina any Amin’ny Fitsaran’i Moscou

VAOVAO FARANY: GADRAINA IREO RAHALAHY | Rahalahy Telo Tsaraina any Amin’ny Fitsaran’i Moscou

Tamin’ny 12 Jolay 2023, dia nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Savelovskiy any Moscou higadra efa-taona sy tapany ny Rahalahy Roman Mareyev, enin-taona sy tapany ny Rahalahy Anatoliy Marunov, ary dimy taona ny Rahalahy Sergey Tolokonnikov. Efa migadra i Roman sy Sergey, fa i Anatoliy kosa tonga dia naiditra am-ponja raha vao niala teo amin’ny fitsarana.

Ireo voampanga

Tena mankasitraka an’i Roman sy Anatoliy ary Sergey isika satria modely tsara ry zareo. Matoky isika fa na inona na inona zava-tsarotra atrehintsika, dia ‘tsy misy loza atahorantsika’ satria eo anilantsika i Jehovah.​—Salamo 23:4.

Zava-nitranga

  1. 20 Oktobra 2021

    Nisava trano valo ipetrahan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Moscou ny manam-pahefana. Nisokatra ny raharaha mikasika an’i Roman sy Anatoliy ary Sergey. Nampangaina hoe mpanao heloka bevava ry zareo satria hoe nandamina asa ho an’ny fikambanana mampidi-doza sady nandresy lahatra ny hafa handray anjara amin’izany koa. Nampidirina am-ponja vonjimaika izy telo mirahalahy

  2. 22 Oktobra 2021

    Notanana am-ponja vonjimaika i Roman sy Sergey. I Anatoliy indray nambenana tany an-tranony

  3. 17 Jona 2021

    Nanomboka ny fitsarana azy ireo

a Mbola notanana am-ponja vonjimaika ny Rahalahy Tolokonnikov tamin’ny fotoana nanomanana an’ity lahatsoratra ity, dia tsy azo natao ny niresaka taminy. Tsy nitondra ny anaran’ny vadiny ny Ranabavy Pankova rehefa nanambady.