Hijery ny anatiny

Avy any ankavia miankavanana: Ny Rahalahy Aram Danielyan, Denis Kuzyanin, Sergey Polosenko, ary Nikolay Vasiliyevv

14 DESAMBRA 2023 | VAOVAO FARANY: 30 JANOARY 2024
ROSIA

VAOVAO FARANY: GADRAINA IREO RAHALAHY | “Tena Manampy Ilay hoe Matoky An’i Jehovah”

VAOVAO FARANY: GADRAINA IREO RAHALAHY | “Tena Manampy Ilay hoe Matoky An’i Jehovah”

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Samarskiy any Samara ny Rahalahy Aram Danielyan, Denis Kuzyanin, Sergey Polosenko, ary Nikolay Vasiliyev, tamin’ny 25 Janoary 2024. Samy voaheloka higadra fito taona avy ry zareo, ary tonga dia naiditra am-ponja raha vao niala teo amin’ny fitsarana.

Ireo voampanga

Matoky isika hoe hataon’i Jehovah foana izay hampiononana ny fon’izay rehetra ampijalina noho finoany. Mampahery azy ireny izy, amin’izay izy ireny “hanao ny tsara sy hiteny zavatra tsara foana.”​—2 Tesalonianina 2:16, 17.

Zava-nitranga

  1. 14 Desambra 2021

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava ny Rahalahy Denis sy Nikolay ary Sergey

  2. 15 Desambra 2021

    Natao savahao ny tranon’i Denis sy Nikolay ary Sergey. Nalefa tany amin’ny toby fitanana am-ponja vonjimaika ry zareo taorian’izay

  3. 16 Desambra 2021

    Nafindra tany amin’ny toby fitanana am-ponja vonjimaika hafa ry Denis sy Nikolay ary Sergey

  4. 6 Janoary 2022

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava i Aram. Nosamborina teny amin’ny seranam-piaramanidina izy

  5. 7 Janoary 2022

    Notanana am-ponja vonjimaika i Aram

  6. 12-14 Desambra 2022

    Nafahana avy tany amin’ny fitanana am-ponja vonjimaika izy efatra mirahalahy, tsy navela nanao dia lavitra

  7. 16 Jona 2023

    Nanomboka notsaraina