Hijery ny anatiny

Ny Rahalahy Yevgeniy Bitusov sy Leonid Druzhinin

30 NOVAMBRA 2022 | VAOVAO FARANY: 29 DESAMBRA 2022
ROSIA

VAOVAO FARANY: GADRAINA IREO RAHALAHY | Vao Mainka Nihatsara ny Toetran’izy Ireo

VAOVAO FARANY: GADRAINA IREO RAHALAHY | Vao Mainka Nihatsara ny Toetran’izy Ireo

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Zeïski any amin’ny Faritanin’i Amour ny Rahalahy Yevgeniy Bitusov sy Leonid Druzhinin. Migadra enin-taona ny Rahalahy Bitusov, ary enin-taona sy tapany kosa ny Rahalahy Druzhinin. Tonga dia nampidirina am-ponja ry zareo raha vao niala teo amin’ny fitsarana.

Ireo voampanga

Faly be isika fa manana rahalahy sy anabavy mampiseho foana hoe “mpanompon’Andriamanitra” satria miaritra sy manam-paharetana.​—2 Korintianina 6:3-10.

Zava-nitranga

  1. 21 Martsa 2019

    Nisava tranona Vavolombelon’i Jehovah maro tany Zeya ny polisy, anisan’izany ny tranon’i Yevgeniy sy Leonid

  2. 10 Aogositra 2020

    Nampangaina hoe mpanao heloka bevava

  3. 13 Oktobra 2020

    Nisava fanindroany ny tranon’i Yevgeniy sy Leonid ny polisy. Nosamborina i Leonid ary natao fanadihadiana nandritra ny adiny roa

  4. 20 Jona 2022

    Nanomboka notsaraina