Hijery ny anatiny

Ny Rahalahy Sergey Kazakov

30 AOGOSITRA 2022 | VAOVAO FARANY: 8 AOGOSITRA 2023
ROSIA

VAOVAO FARANY: MANDOA LAMANDY ILAY RAHALAHY | “Mila Matoky An’i Jehovah Foana”

VAOVAO FARANY: MANDOA LAMANDY ILAY RAHALAHY | “Mila Matoky An’i Jehovah Foana”

Nomelohin’ny Fitsaran’i Bikinskiy, any amin’ny Faritanin’i Khabarovskny, ny Rahalahy Sergey Kazakov tamin’ny 3 Aogositra 2023. Voasazy handoa lamandy 500 000 rouble (23 tapitrisa ariary eo ho eo) izy.

Zava-nitranga

  1. 9 Novambra 2020

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava, satria hoe nandamina asa mampidi-doza, hono

  2. 21 Desambra 2020

    Nisava tranona Vavolombelona folo ny Komity Mpanao Famotorana sy ny polisin’ny FSB, dia anisan’ny nosavana koa ny tranon’i Sergey. Nosamborina izy dia nampidirina am-ponja vonjimaika

  3. 23 Desambra 2020

    Nalefa tany am-ponja vonjimaika

  4. 4 Jona 2021

    Nafahana tany am-ponja dia nambenana an-trano indray

  5. 5 Aogositra 2021

    Tsy nambenana an-trano intsony

  6. 28 Febroary 2022

    Nanomboka notsaraina. Naverin’ny mpitsara tany amin’ny mpampanoa lalàna ilay raharaha nandritra an’ilay fanadihadiana natao talohan’ny tena fitsarana. Nisy tsy nety mantsy ny dingana nataon’ny mpampanoa lalàna tamin’ilay raharaha

  7. 28 Aprily 2022

    Nofoanan’ny mpitsara indray ilay fanapahan-kevitra hoe averina any amin’ny mpampanoa lalàna ilay raharaha, fa nasain-dry zareo naverina notsarain’ilay fitsarana voalohany niandraikitra an’ilay izy

  8. 14 Jona 2022

    Naverina notsaraina indray

Ilay voampanga

Mbola mampiseho ny finoany an’i Jehovah foana i Sergey. Miara-manaiky aminy isika fa marina ilay teny ao amin’ny Salamo 31:14 hoe: “Izaho kosa matoky anao, Jehovah ô! Hoy aho: ‘Ianao no Andriamanitro.’”