Hijery ny anatiny

Rahalahy Andrey Okhapkin sy Irina vadiny

20 APRILY 2023 | VAOVAO FARANY: 14 AOGOSITRA 2024
ROSIA

VAOVAO FARANY: MANDOA LAMANDY ILAY RAHALAHY | Natanja-tsaina Indray ny Rahalahy Okhapkin Rehefa avy Nandinika ny Zavaboary

VAOVAO FARANY: MANDOA LAMANDY ILAY RAHALAHY | Natanja-tsaina Indray ny Rahalahy Okhapkin Rehefa avy Nandinika ny Zavaboary

Namoaka didim-pitsarana momba ny Rahalahy Andrey Okhapkin ny fitsarana any Kinechma, any amin’ny Faritanin’i Ivanovo, tamin’ny 13 Aogositra 2024. Voasazy handoa lamandy 540 000 roubles (27 tapitrisa ariary eo ho eo) izy.

Ilay voampanga

Faly be hoatran’i Andrey isika rehefa mahita ny “zavatra mahatalanjona nataon’Andriamanitra.” Mampahatsiahy antsika ireny hoe tia antsika izy sady mikarakara antsika.​—Joba 37:14.

Zava-nitranga

  1. 18 Novambra 2021

    Nanomboka ny famotopotorana momba azy

  2. 23 Novambra 2021

    Trano enina an’ny Vavolombelon’i Jehovah no nosavana, anisan’izany ny tranon’i Andrey. Nosamborina izy dia notanana am-ponja vonjimaika

  3. 24 Novambra 2021

    Nampangaina hoe nanao heloka bevava

  4. 25 Novambra 2021

    Notanana am-ponja vonjimaika

  5. 17 Febroary 2022

    Navoaka avy tany am-ponja fa tsy navela hivoaka ny trano

  6. 14 Jolay 2022

    Navela hivoaka ny trano fa tsy nahazo nanao dia lavitra

  7. 15 Desambra 2022

    Nanomboka notsaraina