Hijery ny anatiny

Rahalahy Valeriy Schitz sy Irina vadiny

23 AOGOSITRA 2023 | VAOVAO FARANY: 25 JONA 2024
ROSIA

VAOVAO FARANY: MANDOA LAMANDY ILAY RAHALAHY | “Vao Mainka aza Aho Lasa Matanja-tsaina”

VAOVAO FARANY: MANDOA LAMANDY ILAY RAHALAHY | “Vao Mainka aza Aho Lasa Matanja-tsaina”

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Lesosibirsk any amin’ny faritanin’i Krasnoïarsk ny Rahalahy Valeriy Schitz tamin’ny 24 Jona 2024. Voasazy handoa lamandy 600 000 roubles (30 tapitrisa ariary eo ho eo) izy.

Ilay voampanga

Mampahery ny mahafantatra hoe na inona na inona mihatra amintsika, dia hanohana antsika eo foana i Jehovah sy ireo rahalahy sy anabavintsika.​—1 Petera 5:9, 10.

Zava-nitranga

  1. 19 Novambra 2021

    Nanomboka ny famotopotorana

  2. 25 Novambra  2021

    Nosavana ny tranony ary natao famotorana izy

  3. 26 Novambra 2021

    Tsy navela nanao zavatra sasany

  4. 18 Mey 2022

    Tsy navela nanao dia lavitra

  5. 10 Aprily 2023

    Nanomboka ny fitsarana