Hijery ny anatiny

Rahalahy Andrey Kolesnichenko

24 NOVAMBRA 2021
ROSIA

VAOVAO FARANY | Mampahery ny Rahalahy Andrey Kolesnichenko ny Fandinihana ny Zavaboary

VAOVAO FARANY | Mampahery ny Rahalahy Andrey Kolesnichenko ny Fandinihana ny Zavaboary

Novan’ny Fitsaram-paritr’i Tomsk ho sazy mihantona efa-taona ilay sazy mihatra efa-taona nomena ny Rahalahy Andrey Kolesnichenko, tamin’ny 30 Jona 2022. Nafahana avy hatrany izy.

Nomelohin’ny Fitsaran’i Severskiy, any amin’ny Faritr’i Tomsk, higadra efa-taona i Andrey, tamin’ny 19 Janoary 2022.

Zava-nitranga

  1. 7 Jolay 2021

    Nanomboka ny fitsarana

  2. 21 Mey 2021

    Nampangaina ho nanao heloka bevava satria nandray anjara tamin’ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah

  3. 25 Martsa 2021

    Nanomboka ny fitsarana an’i Andrey

  4. 14 Jolay 2020

    Nanao bemidina tany amin’ny tranona Vavolombelon’i Jehovah enina tany Seversk ny polisin’ny FSB, ary anisan’izany ny tranon-dry Kolesnichenko

Ilay voampanga

Miantehitra amin’i Jehovah foana ireo rahalahy sy anabavy malalantsika any Rosia. Feno toky isika ‘mitory ny tenin’Andriamanitra sady tsy matahotahotra mihitsy’ rehefa misaintsaina momba azy ireny.​—Filipianina 1:12-14.