Hijery ny anatiny

Rahalahy Anatoliy Gorbunov sy Galina, vadiny

5 AOGOSITRA 2021
ROSIA

VAOVAO FARANY | Manampy ny Rahalahy Anatoliy Gorbunov ho Falifaly Foana ny Vavaka

VAOVAO FARANY | Manampy ny Rahalahy Anatoliy Gorbunov ho Falifaly Foana ny Vavaka

Nolavin’ny Fitsaram-paritr’i Krasnoïarsk ny fampakarana fitsarana nataon’ny Rahalahy Anatoliy Gorbunov, tamin’ny 21 Jona 2022. Mbola manan-kery àry ilay fanamelohana azy. Tsy ho ela izy dia hafindra any amin’ny fonja hanagadrana azy.

Nomelohin’ny fitsaram-paritr’i Oktiabrski any Krasnoïarsk higadra enin-taona ny Rahalahy Anatoliy Gorbunov, tamin’ny 2 Febroary 2022. Tonga izy dia notanana am-ponja vonjimaika.

Zava-nitranga

  1. 9 Febroary 2021

    Nanomboka ny fitsarana an’i Anatoliy

  2. 15 Septambra 2020

    Natao savahao fanindroany ny tranon’i Anatoliy. Notazonin’ny polisy ny lakilen’ilay trano

  3. 25 Martsa 2020

    Nanomboka ny fiampangana an’i Anatoliy. Nampangaina izy hoe nandamina fivorian’ny fikambanana iray raran’ny fanjakana

  4. 7 Novambra 2018

    Vao maraina be dia natao savahao ny tranon’i Anatoliy. Nalain’ny polisy ny ordinatera enti-tanana, tablette, clé USB, disque dur, ary telefaonina roa. Nentina tany amin’ny biraon’ny Komity Mpanao Famotorana ao amin’ny Federasionan’i Rosia i Anatoliy mba halaina am-bavany, ary nafahana rehefa afaka adiny iray

Ilay voampanga

Miantehitra foana amin’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka i Anatoliy sy ny fianakaviany. Matoky isika fa hanohana azy ireo i Jehovah ary hanampy azy ireo ho falifaly foana.​—Salamo 25:1, 2.