Hijery ny anatiny

Farany ambony (avy any ankavia miankavanana): Rahalahy Aleksey Dyadkin, Aleksey Goreliy, ary Nikita Moiseyev

Farany ambany (avy any ankavia miankavanana): Rahalahy Vladimir Popov, Yevgeniy Razumov, ary Oleg Shidlovskiy

24 MARTSA 2022
ROSIA

VAOVAO FARANY | Manohana ny Fianakavian’ny Rahalahy Enina Migadra i Jehovah

VAOVAO FARANY | Manohana ny Fianakavian’ny Rahalahy Enina Migadra i Jehovah

Nomelohin’ny Fitsaran’i Gukovo any amin’ny Faritanin’i Rostov ny Rahalahy Aleksey Dyadkin, Aleksey Goreliy, Nikita Moiseyev, Vladimir Popov, Yevgeniy Razumov, ary Oleg Shidlovskiy, tamin’ny 19 Septambra 2022. Voasazy higadra enin-taona sy tapany ny Rahalahy Goreliy sy Shidlovskiy. Voasazy higadra fito taona kosa ny Rahalahy Dyadkin, Moiseyev, Popov, ary Razumov. Tonga dia mihatra ny sazin-dry zareo.

Zava-nitranga

  1. 8 Aogositra 2020

    Nisy polisin’ny FSB nanao savahao tranona Vavolombelon’i Jehovah 17 tany Kursk sy tany amin’ny tanàna telo ao amin’ny faritr’i Rostov. Nosamborina ny Rahalahy Goreliy, Moiseyev, Razumov, ary Shidlovskiy ary tonga dia natao am-ponja vonjimaika ny ampitson’iny. Ny Rahalahy Popov indray nataon’ny fanjakana rosianina ao anatin’ny lisitry ny olona nokarohin’ny manam-pahefana

  2. 12 Aogositra 2020

    Nosamborin’ny polisin’ny FSB ny Rahalahy Popov. Notanana am-ponja vonjimaika izy ny afakampitson’io

  3. 21 Aogositra 2020

    Notanana am-ponja vonjimaika ny Rahalahy Dyadkin, rehefa avy nofotopotorana

  4. 28 Jona 2021

    Nisy mpisolovava nitsidika azy enina mirahalahy tany am-ponja. Nolazain’izy ireo taminy ny toe-javatra niainan’izy ireo tao am-ponja. Efa ho 40 degre, ohatra, ny hafanana ao amin’ny efitra figadrana misy azy ireo. Feno lomotra koa ny rindrina, ary voan’ny COVID-19 ny olona miara-migadra amin’izy ireo

  5. 21 Jolay 2021

    Nalefa tany amin’ny toerana fitsaboana tany amin’ny fonja hafa ny Rahalahy Popov satria sempotsempotra. Nalefa tany amin’ny hopitaly izy avy eo

  6. 30 Septambra 2021

    Naverina tany amin’ilay fonja nitazonana azy vonjimaika izy rehefa avy tany amin’ny hopitaly nandritra ny roa volana mahery

  7. 17 Novambra 2021

    Nanomboka ny fitsarana azy enina mirahalahy. Nohalavaina ny fe-potoana nitazonana azy ireo am-ponja vonjimaika

Ireo voampanga

Miezaka be foana isika mivavaka ho an’ireo rahalahy ireo sy ny fianakaviany, ary matoky isika hoe homen’i Jehovah finoana sy tanjaka ry zareo.​—Romanina 15:30.

a b c d e f Tsy afaka nahazo fanazavana avy tamin’ireo rahalahy enina ireo isika satria mbola any am-ponja vonjimaika izy ireo.